π΄ Anarivony ireo mpaka saryπΈ eto Madagasikara saingy mbola ankavitsiana no misoratra ara_panjakana izay antsoina hoe matihanina. Miisa 33 fotsiny izany raha ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny Union des Photographes Professionels de Madagascar. Maro anefa ireo tanora malagasy liana sy misehatra amin’ny tontolon’ny fakana sary π·raha ny hita ankehitriny.
π΄ Ho fampivondronana ireo mpankafy sy misehatra amin’ny fakana saryπ·; ahafahana mampahafantatra misimisy kokoa sy hifampizarana traikefa ary fahaizamanao manodidina ny fakana saryπ· izay indrindra no tanjona amin’ny hetsika PHOTOMANIAπΈ.
π΄ Hetsika izay ho tontosaina eny amin’ny Urban Futsal _ Galaxy Andraharo ny 27 sy 28 ny volana septambra 2024 ho avy izao izay ny TELMA Madagasika moa no mpanohana ofisialy
π΄ Hisy ny fampiratiana sy fivarotana fitaovana sy kojakoja manodidina ny resaka saryπ·; eo ihany koa ny toerana manokana ahafahana manao « shootingΒ Β».
π΄ Akotr’izay, hisy ihany koa ny fifaninana hanomezana loka avy amin’ny Telma sy ireo mpanohana ho an’izay mpandresy amin’ny fiafaran’ny ity hetsika ity.
πM.Elvina