👉ANDRIAMATOA NIRINA RAKOTOARIJAONA NO LANY HITARIKA NY ANTOKO NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA INDRAY

109 0

✅Ny 14 novambra lasa teo no nanatontosa fivoriambe teto Antananarivo ny antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA ka voafidy tamin’izany ny filoha vaovao mitarika ny antoko Andriamatoa Nirina RAKOTOARIJAONA. Napetraka ho filohamboninahitra kosa ny filoha mpanorina ny antoko dia ny Jeneraly Désiré RAKOTOARIJAONA. Voafidy tamin’io fivoriambe io koa ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitra.
✔️Antoko velona eto amin’ny firenena ny antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA. Nijoro tamin’ny taona 1995, ary mbola mijoro ankehitriny. Amin’ny maha antoko miaina eto amin’ny firenena repoblikana azy dia hitondra ny anjarabirikiny amin’ny raharaham-pirenena rehetra fa indrindra izay hita fa mahatsara sy mahasoa ity tanindrazana iombonana ity ny antoko.
🗳️Amin’izao fiatrehana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina izao dia tsy manana kandida natolotra amin’ny anarany ny antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA fa nisafidy kosa ny hanohana kandida izay mitovy vina amin’ny antoko.
⏭️Nitondra hafatra ho an’ny mpifidy sy ny mpikarakara ny fifidianana koa moa ny antoko :
✔️Manao antso avo ho an’ireo rafitra mpikirakira fifidianana mba hijoro hatrany amin’ny fanajana ny tsy fitanilana sy ny ara-dalàna ho antoky ny fifidianana madio, tsy mitanila ary heken’ny rehetra.
✔️Manentana ny olom-pirenena ihany koa mba handray anjara mavitrika amin’ny latsa-bato amin’ny 11 desambra ho avy io. Tsy tokony hiraviravitanana isika vahoaka fa ny fifidianana ihany no ahafahana mitondra amin’ny fanovana eto amin’ny firenena.
▶️Ny teny manentana ity antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA moa dia ny hoe “Handeha harenina ny firenena ho fanohizana ny tolona”.

Nangonon’i RA PA

Nirina RAKOTOARIJAONA

Related Post

𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 – 𝗡𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗵𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗣𝗿𝗮𝗶𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 « Hiaro anareo amin`ny…