๐—ก๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—œ๐——๐—œ๐—ž๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐— ๐—˜๐—ก๐—”๐—•๐—˜ ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—œ๐—ก๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—”

159 0

โ–บAo anatinโ€™ny fanatanterahana ny torimariky ny filoham-pirenena mikasika ny fitondram-panjakana manakaiky vahoaka dia manatanteraka ny fitsarana manakaiky vahoaka ny eo anivonโ€™ny minisiteranโ€™ny fitsarana sady manatanteraka ny zato andro dia  tonga nitsidika ny faritra Menabe  ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny zoma faha 12 Aprily 2024 ka aharitra roa andro ny fitsidihana .

 

โœ“ Morondava no nisantarany izany ka ny tapany maraina ny fahatongavany dia nisy ny fitsidihany ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Morondava ary nitafa taminโ€™ireo mpiasa eo anโ€™ivonโ€™ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Morondava ny tenany ary tao anatinโ€™izay no namatsiana fitaovana solosaina telo  sy imprimante iray ho anโ€™ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Morondava ary  ยซ karatra fanarahana raharaha eny anivonโ€™ny fitsarana ยป ity karata ity moa dia mba hialana aminโ€™ireo mpijirika ary sady hametrahana ny mangarahara ihany koa mba ho fanatsarana ny fitatanana ny raharaha eo aminโ€™ny fitsarana , hentitra ny minisitra ary nilaza fa adidinโ€™ny eo anivonโ€™ny fitsarana ihany koa ny manao fisafoana ny eo anivonโ€™ny fonja sy ny mampafantatra ny lalร na aminโ€™ny fidinana ifotony sy ny fiaraha-miasa aminโ€™ireo haino aman-jery ,natao jery todika nadritrinโ€™ny dinidinika izay niarahanโ€™ny ramatoa minisitra taminโ€™ireo mpiasa eo anivonโ€™ny fitsarana voalohany eto Morondava mikasika ny toromarika izay nomena tany Toliara nandritrinโ€™ny fivoriambe izay nataonโ€™ireo filohanโ€™ny fitsarana ato aminโ€™ny tapany atsimo .

Isany rafitra manatanteraka ny asa ho anโ€™ny vahoaka ny fitsarana ka ho fanatsarana ny tolotra ho anโ€™ireo manan-draharaha eo anivonโ€™ny fitsarana ka adidinโ€™ny fitondrana foibe ny midina mijery ireo olana ety ifotiny mba hanatsarana ny tolotra ho anโ€™ny vahoaka satria aminโ€™ny anaranโ€™ny vahoaka no hamoahana ny didim-pitsarana ka mila manatsara ny fomba fiasa ny eo anivonโ€™ny fitsarana isanโ€™izany ny fahazoanโ€™ny fitsarana eto Morondava mpitsara vaovao araky ny filan-kevitry ny minisitra farany teo .

 

โœ“ Ny tapany hariva dia nisy ny fampafantarana ny lalร na mikasika ny fifohana sy fandraisana zava-mahadomelina izay tafiditra ao anatinโ€™ny fanatanterahanโ€™ny minisitera ny zato andro no saady adidinโ€™ny fitsarana ihany koa ny mampafantatra ny lalร na satria tsy manasazy ihany no asanโ€™ny fitsarana fa eo koa ny fampitandremana ka  teo anivonโ€™ny sekoly LPCIC sekoly tsy miankina sy ny  lycรฉes Paul miankina aminโ€™ny fanjakana no nanatanterahana izany ary nofaranana taminโ€™ny fitsidihana ny fonjanโ€™ny Morondava ity andro voalohany ity mba hijerena ireo fampihofanana atolotra ireo voafonja ho fanarenana sy fanomanana ny hiverenanโ€™izy ireo eny anivonโ€™ny fiaraha-monina satria andry voalohany napetraky ny filoham-pirenena ny fanandratana ny maha olona sy ny fanajana ny zonโ€™olombelona izay efa ataonโ€™ny fandraharahana ny fonja saingy hamafisina izany mba hifanindran-dalana aminโ€™ny toromariky ny fitondram-panjakana an-kehitriny  tena ho olom-banona ireo voafonja rehefa miverina eny anivonโ€™ny fiaraha-monina ; ho fanajana ny maha olona dia nitondra fanampiana ho anโ€™ny fonjanโ€™ny Morondava ramatoa minisitra nanolotra vary sy voamaina ary savony sy fitaovana fidiovana sy jiro ary fanafody famonoana biby kely satria aminโ€™ny maha tany mafana ny faritra Menabe dia isany mampijaly ireo voafonja ny fisianโ€™ny kongona ao aminโ€™ny trano misy azy ireo ; Miisa 699 moa ny voafonja ao aminโ€™ny fonjanโ€™ny Morondava ka 33 ny vehivavy ary 6 kosa ireo tsy ampy taona voafonja ao.

 

โœ“ Hitohy aminโ€™ny fitsidihana ireo Camp pรฉnales sy hiazo ny distrikanโ€™ny Miandrivazo moa ny tenany sy ireo ekipa miara-dia aminy , nanotrona azy taminโ€™izao fitsidihana izao moa ny Prefet ny Morondava sy ny Goveronoranโ€™ny faritra Menabe ary ireo tomponโ€™andraikim-panjakana ato Menabe , teo koa ireo tomponโ€™andraikitry ny fitandroana ny filaminana sy ireo mpandraharahanโ€™ny fonja.

                                                                                                                                             Ra_Pa Menabe

Related Post

๐‹๐€๐•๐Ž๐’๐๐˜ ๐๐€๐‹๐€๐’๐๐˜ ๐™๐€๐๐ƒ๐€๐‘๐ˆ๐Œ๐€๐‘๐ˆ๐€ ๐€๐๐ƒ๐ˆ๐‹๐€๐Œ๐„๐๐€ ๐ˆ๐‹๐€๐˜ ๐Š๐€๐‘๐“๐ˆ๐„ ๐Œ๐Ž๐๐ˆ๐‹๐˜ ๐ƒ๐€๐‡๐€๐‹๐Ž ยซย ๐‘๐€๐Š๐Ž๐“๐Ž๐’๐Ž๐€ ๐ƒ๐ˆ๐“ ๐Š๐Ž๐“๐Ž

Posted by - mars 24, 2025 0
๐˜ฝ๐™€๐™๐˜ผ๐™‡๐™€๐™‘๐˜ผ๐™‰๐˜ผ ๐™Ž๐™” ๐˜ผ๐™ˆ๐˜ฝ๐˜ผ๐™๐™Š๐™ˆ๐˜ผ๐™‡๐˜ผ๐™ˆ๐˜ผ, ๐™๐™Š๐™†๐™Š๐™‰๐™๐˜ผ๐™‰๐™” ๐˜ผ๐™‰๐™„๐™Ž๐˜ผ๐™‰’๐™„๐™๐™€๐™Š ๐™ˆ๐˜ผ๐™๐˜ผ๐™‰๐˜ผ ๐˜ผ๐™ˆ๐™„๐™‰’๐™‰๐™” ๐™ƒ๐˜ผ๐™‡๐˜ผ๐™๐™’๐™Š๐™ˆ๐˜ฝ๐™” ๐˜ผ๐™Š ๐˜ผ๐™ˆ๐™„๐™‰’๐™‰๐™” ๐™†๐˜ผ๐™Š๐™ˆ๐™„๐™‰๐™„๐™‰๐˜ผ ๐˜ผ๐™ˆ๐˜ฝ๐˜ผ๐™‰๐™„๐™‘๐™Š๐™ƒ๐™„๐™๐™๐˜ผ ๐˜ฝ๐™€๐™ˆ๐˜ผ๐™„๐™๐™Ž๐™Š, ๐˜ฟ๐™„๐™Ž๐™๐™๐™„๐™†๐˜ผ ๐˜ผ๐™‰๐˜ฟ๐™„๐™‡๐˜ผ๐™ˆ๐™€๐™‰๐˜ผ. Nirotsaka tany an-toerana ny Komandร …

๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐— ๐—•๐—”๐—ฉ๐—”๐— ๐—•๐—”๐—›๐—ข๐—”๐—ž๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข ๐—ก๐—œ๐—ญ๐—”๐—ฅ๐—” ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ž๐—”๐—ข๐— ๐—œ๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐Ÿญ๐Ÿฎ ๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—™๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข

Posted by - septembre 12, 2024 0
๐™ท๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐šŠ๐š๐š’๐šœ๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š™๐š˜๐š•๐š’๐š๐š’๐š”๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š๐šŠ๐š—๐š“๐šŠ๐š”๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š๐š˜๐š’๐š‹๐šŽ ๐šœ๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š›๐šŠ๐šข ๐šŠ๐š–๐šŠ๐š—-๐š๐š›๐šŽ๐š—๐šข ๐šŠ๐š–๐š’๐š—โ€™๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐š๐š’๐š๐š’๐š›๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ๐š๐š›๐šŠ ๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐šŠ๐š›๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š–๐š™๐š˜๐š›๐š’๐šœ๐š’๐š‘๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š’๐š›๐šŽ๐š˜…