๐— ๐—ข๐—ฅ๐—ข๐—ก๐——๐—”๐—ฉ๐—” : ๐—™๐—œ๐——๐—œ๐—ฅ๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ง๐—ฆ๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ก๐—ง๐—˜๐—ฅ๐—”๐—ž๐—” ๐—œ๐—Ÿ๐—”๐—ฌ ๐Ÿฌ๐Ÿฌ ๐—”๐—ฅ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—ฌ ๐—™๐—” ๐Ÿญ๐Ÿฌ.๐Ÿฑ๐Ÿฌ๐Ÿฌ ๐—”๐—ฅ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—ฌ ๐—›๐—”๐—ง๐—ฅ๐—”๐— ๐—œ๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐Ÿฏ๐Ÿฑ.๐Ÿฌ๐Ÿฌ๐Ÿฌ ๐—”๐—ฅ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—ฌ ๐—ก๐—ข ๐—›๐—”๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—”

30 0

Raha ny fadaharm-potoana navoakanโ€™ny ministeranโ€™ny fanabeazam-pirenena dia ny alatsinainy faha sivy ny volana septembre teo no tokony hanomboka ny taom-pianarana 2024-2025 dia tsy voahaja izany satria izao vao manomboka manoratra ny anaranโ€™ny zanany ireo ray aman-dreny ka tara zany ny fiatombohanโ€™ny taom-pianarana aminโ€™ity ny antony moa araka ny fanadihadiana izay natao dia nohonโ€™ny fahasahirananโ€™ny ray aman-dreny satria na dia nilaza aza ny minisitry ny fanabeazam-pirenena fa tsy andoavam-bola ny fampidirana mpianatra eny aminโ€™ny sekolim-panjakana dia tsy izay ny zava-misy raha ny eto Morondava fa 10.500 Ariary hatraminโ€™ny 35.000 Ariary isan-jaza ny vola aloha aminโ€™ny fampidirana mpianatra manomboka aminโ€™ny EPP sy CEG ary Lycรฉe eto Morondava .

Antony tsy mahatan-teraka ilay 00 Ariary moa raha ny fanadihadiana natao no nahalalana fa folo isan-jatony fampiodinana ny sekoly ihany no vitanโ€™ny tohana avy aminโ€™ny fanjakana ary mbola tara koa ary ny fatongavanโ€™io satria efa any aminโ€™ny volana Mars any farany malaky vao tonga ka tsy maintsy mandoha vola ny ray aman-dreny mba hampiodinana ny sekoly ankoatranโ€™ny karamanโ€™ny mpampianatra FRAM sy ny mpiandry ny sekoly ary ny Jirama satria tsy misy loharanom-bola hafa ny akamaroanโ€™ny sekolim-panjakana na dia eo ary ny FEFFI izay natsangana eny aminโ€™ny sekolim-panjakana rehetra ary nasiana fanavaozana moa taminโ€™ity raompianarana ity saingy tsy ampy ny fampihofanana ireo mpitarika ny FEFFI ka tsy mahalala ny andraikiny ny rehetra ka variana mitantana ny vola kely izay misy eo fa tsy misy mba mitady loharanom-bola hafa mba hanampiana ny sekoly .

Angatahanโ€™ireo talen-tsekoly ny mba hampiakarana ny tohana avy aminโ€™ny fanjakana na ilay antsoina hoe caisse รฉcole ary alefa alohanโ€™ny fidirana aminโ€™ny taom-pianarana mba afahanโ€™ny sekoly miodina ara-dalana sy hanamaivana ny fahasahirananโ€™ny ray aman-dreny .

Na dia izany aza anefa dia hita fa mazoto ny ray aman-dreny nampiditra ny zanany an-tsekoly nohonโ€™ny tenin-dramatoa minisitra hoe 00 Ariary ny fampidirana mpianatra ka sahirana ireo talen-tsekoly sy tomponโ€™andraikitra eny ifotony satria ny voafetra ihany ny mpianatra azo raisina nohonโ€™ny foto-drafitrasa sy tsy fahampianโ€™ny mpampianatra ka voatery manao ezaka fanamboarana efitrano Sekoly sy fanokafana sekoly vaovao ny tomponโ€™andraikitra ka isanโ€™izany ny fanokafana ny Lycรฉe Pole annexe ao Belo sur Mer .

Manoloana izany rehetra izany moa dia nanam-pakevitra ny Chef Cisco fa hamory ireo talen-tsekoly sy mpitarika FEFFI rehetra eto Morondava ny asabotsy izao mba hijerena vaha olana aminโ€™ity resaka fandraisana anjaranโ€™ny ray aman-dreny ity .

Etsy ankilany moa dia mitaraina ireo ray aman-dreny fa ny fiainana sarotra nefa tsy maintsy mandoha vola ny fampianarana anefa tsizarizary ny fahasahiranana anefa hoy ireo tojo anay dia tsy afaka hampianatra ny zaza any aminโ€™ny sekoly tsy miankina izahay hoy hatrany ireo ray aman-dreny .

Fampatsiahivana fotsiny fa ny lalampanorenana Malagasy ao aminโ€™ny zana-dohateny 2 ny aminโ€™ny zo sy adidy momba ny toekarena sy sosialy ary koltoraly ao aminโ€™ny andininy faha 24 dia milaza mazava fa ยซ Mandamina fanabeazam-bahoaka maimaimpoana sy takatry ny rehetra hidirana ny fanjakana. Ny fampianarana ambaratonga voalohany dia tsy maintsy ataonโ€™ny rehetra ยป
Nangoninโ€™i Ra-Pa Menabe

Related Post

๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐— ๐—•๐—”๐—ฉ๐—”๐— ๐—•๐—”๐—›๐—ข๐—”๐—ž๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข ๐—ก๐—œ๐—ญ๐—”๐—ฅ๐—” ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ž๐—”๐—ข๐— ๐—œ๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐Ÿญ๐Ÿฎ ๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—™๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข

Posted by - septembre 12, 2024 0
๐™ท๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐šŠ๐š๐š’๐šœ๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š™๐š˜๐š•๐š’๐š๐š’๐š”๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š๐šŠ๐š—๐š“๐šŠ๐š”๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š๐š˜๐š’๐š‹๐šŽ ๐šœ๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š›๐šŠ๐šข ๐šŠ๐š–๐šŠ๐š—-๐š๐š›๐šŽ๐š—๐šข ๐šŠ๐š–๐š’๐š—โ€™๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐š๐š’๐š๐š’๐š›๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ๐š๐š›๐šŠ ๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐šŠ๐š›๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š–๐š™๐š˜๐š›๐š’๐šœ๐š’๐š‘๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š’๐š›๐šŽ๐š˜…

ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

Posted by - dรฉcembre 19, 2023 0
  Hetsika iray manan-danja no nokarakarainโ€™ny mpianatra, session dโ€™รฉtรฉ, ao aminโ€™ny oniversitรฉ tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 aminโ€™ny taranja…