π—π—˜π—¨π—‘π—˜π—¦ π—”π——π—©π—˜π—‘π—§π—œπ—¦π—§π—˜ 𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – 𝗠𝗔𝗑𝗔𝗦𝗒𝗔 𝗑𝗬 π—™π—œπ—”π—₯π—”π—›π—”π— π—’π—‘π—œπ—‘π—” 𝗔π—₯π—”π—žπ—¬ 𝗑𝗬 π—™π—œπ—§π—”π—œπ—­π—”π—‘π—” 𝗧𝗦𝗔π—₯𝗔 𝗔𝗭𝗒𝗑𝗬

111 0
Mijoro araka ny fitaizana nomena azy ireo ny tanora adventiste eto Mandritsara ka tsy mitsahatra manatanteraka hetsika fanaony isan-taona rehefa tonga ny fankalazana ny « Global Youth day » lohahevitra amin`ny taona 2025 izao ny hoe « A community transformed » Misandrahaka amin`ny lafiny maro ny fikolokoloana ny Jeunes Adventiste hampisy ny fiovana amin`ny sehatra tsara : eo ny ara-panahy ao anatin`ny fiangonana, fanampiana ny fiarahamonina koa. Nisafidy nanao asa soa ho an`ny be antitra ao amin`ny fokontany Mandritsara ambony tanora ireto androany alahady 16 martsa. Be antitra 30 no nomena savony ho fidiovana ka velom-pisaorana ny hetsika nataon`ny JA izy ireo « Hadio lamba tafianay, hoatr`izany koa ny vatana. Samia ho tahianjanahary antsika » hoy ireo Ray amandreny mpisitraka. Tsy izay ihany fa nanadio lalan-drano sady nanaisotra lobolobo manodidina tohatohatra avy ao Ankobasoa makatra Mandritsara koa ny Tanora advantista.
Mitsinjo fiarahamonina ny Jeunes Adventiste, misokatra amin`ny sehatra maro indrindra ny ara-piarahamonina ny tanora hoy Pasteur district Mandritsara, Solofoson Zex Pizzani. Velom-pankasitrahana ny sefo fokontany moa izy ireo teto satria tsy nanda ny hanaovana hetsika izao ny mponina ao an-toerana. Hahitatra amin`ny fokontany hafa ny asa soa amin`ny taona manaraka hoy hatrany ny mpitarika.

Related Post

FIER-MADA 2025

Posted by - aoΓ»t 12, 2025 0
FIER-MADA 2025 – Andiany faha-26 : Ambatovy manohana hatrany ny tanora mpandraharaha sy ny tantsaha eny ifotony Nanamarika indray ny…

π…π€ππŠπ€π‹π€π™π€ππ€ π€ππƒπ‘πŽπ`𝐍𝐘 π’π„πŠπŽπ‹π˜ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€

Posted by - mars 1, 2024 0
π…π€ππŠπ€π‹π€π™π€ππ€ π€ππƒπ‘πŽπ`𝐍𝐘 π’π„πŠπŽπ‹π˜ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€- ππˆπ…π€ππ“πŽπŠπ€ π“π€πŒπˆπ`𝐍𝐘 π…πˆπŠπŽπ‰π€πŠπŽπ‰π€ππ€ π“π€ππˆπ-π“π’π„πŠπŽπ‹π˜ π€π‘π˜ π…π€πŒππˆπ€π‹π€ππ€ π•πŽπ‹π˜ πˆπ‘π„πŽ π€ππŠπˆπ™π˜ 𝗑𝗬 π—¦π—˜π—žπ—’π—Ÿπ—¬ π— π—”π— π—£π—œπ—‘π—šπ—’   Tsy nataon`ny mpitantana ny…