π—™π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗣𝗒𝗑𝗬: 𝗑𝗒π—₯π—”π—œπ—¦π—œπ—‘π—” 𝗑𝗬 π—™π—œπ—”π—‘π—œπ—”π—‘π—”π—‘’π—œπ—₯π—˜π—’ π— π—£π—œπ—”π—‘π—”π—§π—₯𝗔 𝗛𝗒 π— π—£π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔.

99 0
πŸ“Œ Alarobia 24 Janoary 2024, teo anivon’ny Fitsarana Tampony Anosy, Mpianatra ho Mpitsara miisa 100 no nanao fianianana.
 
πŸ”Έ60 Mpianatra ho Mpitsara ny ady hifanaovan’ny olon-tsotra.
πŸ”Έ20 Mpianatra ho Mpitsara ny ady hifanaovana
amin’ny Fanjakana.
πŸ”Έ20 Mpianatra ho Mpitsara mikasika ny fitantanana ny volam-panjakana.
 
πŸ“Œ Fianianana santatra no nataon’izy ireo, mialohan’ny handehanana hizatra asa eny anivon’ny sampam-pitsarana manerana an’i Madagasikara.
 
πŸ“Œ Nitarika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nandraisana izany fianianana izany ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony.
 
πŸ“Ž Marihana fa 24 Volana no faharetan’ny fihofanana ho Mpitsara eo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG).

Related Post