Notanterina omaly faha 12 Aogositra tao amin’ny hotely Vezo beach ny tambana ny fanadihadiana izay natao tamin’ny fokotany 6 tato amin’ny Distrikan’ny Morondava ka nandritra izany no nivohitra ireo vokatra azo ny asa natao teo amin’ny fihatrehana ny loza voajanahary izay nahitana ny tanjaka sy ny faharefoin’ireo mponina amin’izay fihatrehana ny loza voajanahary izay ka tao anatin’izay no nandrafetana ny drafitr’asa izay hiatrehana ny ho avy satria ireo fokotany 12 izay hanaovan’ny croix rouge ity tetikasa ity dia 80% dia amoron-dranomasina izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny faritra marefo sady tsy afa-bela amin’ny loza voajanahary.
Aorian’izao dia misy ny drafitr’asa izay ho tanterahina isaky ny fokotany arak’izay laharam_pahamehana ka izay vitan’ny croix rouge dia tonga dia tanterahina fa ireo tsy manandrify aminy kosa dia hitadiavana mpiara-miombon’antoka hafa ary alefa any amin’ireo manandrify azy ka tohizana ny fiaraha miasa eny anivon’ny fokotany sy ireo tompon’andraika isan-tsokajiny hoy ny filohan’ny croix rouge eto Menabe.
Nivohitra nandritrin’ity tombana ity moa fa nohon’ny faharefoina dia maro ny hambana mian-jady amin’ireo olona eny ifotony toin’ny valan’aretina sy ny tsy fahafahan’ny zaza mianatra ka akoatran’ny fanetanana dia ho jerena akaiky koa ny sosialin’ny mponina amin’ny alalan’ny fanomezana tantsoroka azy eo amin’ny fiainana an-davan’andro eo amin’ny asa fiveloman’izy ireo.
Tonga niatrika izao tombana sy fandeferana drafitr’asa izao moa ireo olom-boafidy tamin’ireo kaominina voakasiky sy ny filohan’ny fokotany ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny croix rouge toin’ny avy eo anivon’ny BNGRC sy ny fitaleovam-paritry ny mponina sy firaisankina ary ireo mpiantsehatra amin’ireo fokotany voakasiky ka ny lefitry ny prรฉfet an’ny Morondava no nanokatra ny fotoana, ary nafana ny adi-hevitra nandinihana ireo fanadihadiana natao teny ifotony ka tsy ampy ny fotoana saingy tsy nisy niala ny rehetra raha tsy voafaritra ireo asa ho tanterahina ary samy nanome toky ny rehetra fa hifanolon-tanana amin’ny croix rouge amin’ny fanatanterahana asa.
โ๏ธRA PA





















