Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny CEG Miandrivazo ny Talata 16 Jona 2026 ny fanadinana CEPE sy fidirana amin’ny 6รจme ho an’ny Faritra Menabe. Notarihin’ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ato Menabe, niaraka tamin’ireo manam-pahefana eo an-toerana sy ireo superviseurs avy amin’ny MEN, ny lanonana fanokafana.
Miisa 10 204 ireo mpiadina nisoratra anarana manerana ny CISCO dimy, ka 9 939 no tonga niatrika ny fanadinana, raha 265 kosa no tsy tonga, nahatonga ny tahan’ny fandraisana anjara ho 97,40 %.
Anisan’ireo mampiavaka ity andiany ity ny fisian’ny mpiadina zokiny indrindra, 38 taona, ao amin’ny CISCO Belo Tsiribihina, ary ny zandriny indrindra, 7 taona, ao amin’ny CISCO Morondava.
Nisongadina ihany koa ny fandraisan’anjaran’ireo ankizy roa manana fahasembanana amin’ny fitenenana (moana) avy ao amin’ny SEMAMO Morondava, izay niatrika ny fanadinana tahaka ireo mpiadina rehetra.
Araka ny tatitra voaray, dia mizotra am-pilaminana ny fanadinana manerana an’i Menabe, ary arahi-maso akaiky eny an-kianja ny fizotry ny fanadinana ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
โ๏ธRA PA




