πππ§ππ«π’ππ¬ππ«π – ππ¨ ππ³π¨ ππ§ππ¨π€π π§π² πππ§ππ«π’ππ¦π©ππ‘ππ₯ππ¦ππ§π ππ¦π’π§`π§π² πππ«π’ππ«π π₯π¨π‘ππ«ππ§π¨
(π΅πππππ ππππππππ πππππππππ`ππ ππππ
πππ ππππ ππ ππππππππππ ππ π¨ππππππππππ ππππππ ππππππ ππ πππππππππππ πππππππππ πππππ ππππππΜ πππππ`ππ ππππππ
πππ`ππ πͺπππ π
`πππππ
πππ)
β¦Nanome tany 1 ha latsaka 30 m ho an`ny zandary ny fokonolona ao Ambaripaika, ho fanamafisana ny fandriampahalemana mihazo loharano iny. Nidina ifotony tany an-toerana ny lehiben`ny vondrotobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Mandritsara & Befandriana avaratra, Andriantsihoarana Hermann Tobiasy, omaly sabotsy 27 aprily ka notoloran`ny fokonolona taratasy fanolorana ny tany. Ny ben`ny tanana any an-toerana no nitarika sy nampahafantatra ny toerana tamin`ny zandary.
β¦Kaominina maromaro mandrafitra loharano no nangataka hisian`ny tobin`ny Zandary tamin`ny fotoana nitondran`ny Chef d’escadron Ramananga Norbert Gildas « Commandant de CompagnieΒ Β» teto Mandritsara. Nivaly fangatahana ity amin`izao ka hametrahana zana-tobim-paritra hisahana kaominina ao anatin`ny Loharano.
β¦Velom-pankasitrahana ny fokonolona manoloana izany. Naneho ny fahavononana ny amin`ny fiarahamiasa eo amin`ny fampandriana fahalemana izy ireo teto.