πŒπ€ππ€π‘π€ πŒπ€π’πŽ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€πŒππŽπ€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐍3𝐀 πŒπ€πŒππˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐀𝐍’𝐈 π•πŽπ‡πˆπ“π‘π€πˆπ•πŽ π’π˜ π€ππƒπˆπ‹π€πŒπ„ππ€ 𝐍𝐘 π†πŽπ•π„π‘ππŽπ‘π€π’𝐍𝐘 π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€π‹π€πŽπ“π‘π€ πŒπ€ππ†πŽπ‘πŽ

63 0

Tonga nijery ifotony sy nanara-maso ny asa fanamboaran-dalana izay mampitohy an’i Vohitraivo sy Andilamena izay mirefy 45km ny Governora ny Faritra Alaotra-Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA ny 10 Aogositra 2024 lasa teo.
Niaraka taminy tamin’izany ireo teknisianina avy amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy ao Ambatondrazaka izay mpiahy sy Ireo Tompon’andraikitra avy amin’ny « EntrepriseΒ Β» CGC mpiantoka ny asa izay notarihin’ny DG dia Mr Lian.
Traitement des points noirs, terrassements, Remblais, ouvrages ary Goudron @ ampahany moa ny atao @ izany.
Hita fa mandeha tsara ny asa ary miezaka mafy ny entreprise CGC.
Ka nisaotra ny fitondram-panjakana tarihin’Atoa Andry RAJOELINA ny Governora ary nankasitraka ny Ministry ny Asa Vaventy sy ireo Teknisianina @ izao fijerevana manokana ity lalana ity izay mampikaikaika ny mpampiasa lalana satria rehefa avy ny orana matetika matory andalana mihitsy.
Nilaza moa ireo teknisianina ao @ Asa Vaventy sy ny Entreprise fa ezahina ny ahavita ny asa alohan’ny faran’ny taona 2024 ity.
πŸŽ₯ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…