πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’π€πŒππ€π‹π€π•π€πŽ – π…π€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπ€π“π’πˆπ€π“π‘π€ π€πŒππŽππ˜

23 0

Nifanampian’ny Fokonolona sy ny Solombavambahoaka ny fanamboarana ny tetezana.

Manodidina ny 5.888.000Ar ny fandaniana natao tamin’ny fanamboarana ny tetezana 2 eo Ambondro Ambohimandroso, mampifandray Kaominina 4 ,ao anatin’ny Distrikan’Ambalavao. Naharitra 2 andro ny fanatanterahana ny asa niarahana tamin’ny Fokonolona. Ary noraisin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambalavao, Atoa Christian Razafimahatratra an-tanana avokoa ny fanamboarana.

Ny Madagascar National Parks kosa no efa namita ny tetezana eo Ampasika alohan’ireto 2 ireto.
Vonjy ranovaky moa izao natao izao fa efa an-dalana ny fanovana ny tetezan-kazo rehetra ho foto-drafitrasa maharitra kokoa.

Tsy sasatra amin’ny fanarenana ny tompon’andraikitra ,na dia mbola tamin’ny 2024 aza no nisy fanamboarana ireto tetezana ireto, ary nohamafisina ny fiambenana sy ny fanasaziana an’izay manimba ny fotodrafitr’asa.

Nangonin’i Ando Rafahatelo
πŸ“·Β©Red Randria

Related Post

π…π„π’π“πˆπ•π€π‹ 𝐈𝐎’𝐑𝐄𝐍𝐀𝐋𝐀 πƒπ€π˜π’

Posted by - dΓ©cembre 19, 2024 0
𝑯𝒐 π’•π’‚π’π’•π’†π’“π’‚π’‰π’Šπ’π’‚ π’π’š 20 π’”π’š 21 π’‚π’“π’š 22 π’…π’†π’„π’†π’Žπ’ƒπ’“π’† π’Šπ’›π’‚π’ π’π’š π‘­π’†π’”π’•π’Šπ’—π’‚π’ π’Šπ’’𝑹𝒆𝒏𝒂𝒍𝒂 π‘«π’‚π’šπ’” π’Šπ’›π’‚π’š 𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒆𝒕𝒐 𝑴𝒐𝒓𝒐𝒏𝒅𝒂𝒗𝒂 ; π’‰π’†π’•π’”π’Šπ’Œπ’‚…