𝐁𝐞𝐬𝐚𝐀𝐚𝐲 (πŒπžπ§πšπ›πž) : π…π’π­π«πšπ§ππ«πšπ‘πšπ§πš 𝐜𝐨π₯π¨π¦π›π’π­πž, 𝐳𝐚𝐳𝐚 𝐝𝐒𝐚 𝐞𝐟𝐚 𝐦𝐒𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐝𝐒𝐧𝐝𝐨𝐦𝐒𝐧-𝐝𝐨𝐳𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐬𝐚π₯𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚

7 0

Ao amin’ny faritra Menabe, andrefan’i Madagasikara, mitombo isan’andro ireo olona mitady harena ankibon’ny tany. Ao amin’ny kaominina ambanivohitra Dabolava, distrikan’i Miandrivazo, ao amin’ny fokontany Ankiranomena, no misy ny kariera Besakay, toerana fitrandrahana vato colombite izay nahasarika mpitrandraka an’arivony nanomboka ny fiandohan’ny taona 2025.

Vokatry ity fitrandrahana dia nitombo be ireo mpifindra monina ao amin’ny kariera . Maro amin’izy ireo no efa miorim-ponenana eny amin’nyΒ  kariera, manangana toby sy trano vonjimaika.

Hita eny an-toerana ihany koa ireo vahiny, indrindra ireo Sinoa, izay mividy sy miasa amin’ny sehatry ny fitrandrahana.

Anisan’ny mampanahy ny fisian’ireo zaza tsy ampy taona maro miasa eny amin’ny kariera. Zaza tokony ho any an-tsekoly, saingy tafiditra amin’ny asa mafy sy mampidi-doza sahady.

Tsy maharaka ny fitomboan’ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana. Tsy tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mponina ao amin’ny CSB II Dabolava ireo mpitrandraka, ka sarotra ny fanaraha-maso.

Maro ireo reny miteraka eny an-toerana, ary betsaka amin’ireo zaza no tsy mahazo vaksiny ara-potoana.

 

Simba ny tontolo iainana nohon’nyΒ  lavaka lalina vokatry nyΒ  fitrandrahana, simba ny tany ary voa ny loharanon-drano. Vokany, miparitaka ny aretina toy ny tazomoka, aretin-kibo ary aretina mifindra.

Mandoa vola isan’andro ireo mpitrandraka vao mahazo miasa. Saingy maro no milaza fa tsy mitovy ny tombontsoa azo.

Etsy ankilany, tsy mazava ihany koa ny tamberim-bidy ho an’ny kaominina, na dia misy vola miditra aza.

Manoloana izany rehetra izany dia mipetraka ny fanontaniana:
πŸ‘‰ Aiza no miafara ny vola avy amin’ny fitrandrahana?
πŸ‘‰ Iza no tena mahazo tombony?

Ao Besakay, mitady harena ny olona… saingyΒ  am-badik’izany dia tandindomin-doza ny fahasalaman’ny mponina, ny zon’ny ankizy ary ny tontolo iainana.

Nangonin’i RA PA

Related Post