๐€๐ง๐ญ๐š๐ง๐ข๐ง๐š๐ซ๐ข๐ฏ๐จ ๐ค๐ž๐ฅ๐ฒ/๐€๐ง๐ญ๐ฌ๐ข๐š๐Ÿ๐š๐›๐จ๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š: ๐…๐ข๐š๐ซ๐š ๐Ÿ’๐—๐Ÿ’ ๐ฏ๐จ๐š๐๐จ๐ง๐š๐ง’๐ง๐ฒ ย ยป ๐‚๐š๐ฆ๐ข๐จ๐ง ๐ฌ๐ž๐ฆ๐ข-๐ซ๐ž๐ฆ๐จ๐ซ๐ช๐ฎ๐ž.ย ยป ๐๐ข๐š๐ซ๐š ๐ง๐ข๐ฅ๐š๐ญ๐ฌ๐š๐ค๐š ๐ญ๐š๐ง๐ฒ ๐š๐ง๐š๐ญ๐ฒ ๐š๐ง๐ญ๐ฌ๐š๐ง๐š, ๐ฆ๐ฉ๐š๐ฆ๐ข๐ฅ๐ฒ ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ง๐จ ๐ฆ๐š๐ญ๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐ญ๐ซ๐š-๐๐ซ๐š๐ง๐จ, ๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ž๐ง๐ข๐ง๐š ๐ง๐š๐ซ๐š๐ญ๐ซ๐š.

16 0
๐Ÿ“Œ Araky ny efa notanterin’ny namana mpiara miasa teto amin’ny gazety an’habaka feon’ny demokrasia Madagasikara dia tahakan’izao manaraka izao ny tohin’ny lozam-pifamoivoizana niseho, teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 244+500 miaka-piakarana tsy lavitran’ny tanร nan’Antaninarivo kely, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanร na ny androany Alakamisy faha 11 Desambra taona 2025, tokony tamin’ny 01 ora tolakandro mahery telopolo minitra tany ho any.
๐Ÿ“Œ Raha ny angom-baovao voaray hatrany dia fiara tsy mataho-dalana na fiara 4X4 avy eto Maevatanร na no nanaraotra nitondra olona hihazo any Toamasina, satria efa in-droa amin’izao no mandeha maka ย ยป Letchi ย ยป any an-toerana ity fiara ity, ka nifanehitra tampoka tamin’ny Camion semi-remorque avy any Antananarivo nitondra entana hian’Avaratra no volaza fa nisasasa nandeha mafy, tao anaty fiolanana. Nijanona nalaky tamin’ny sisin’arabe hatrany ny fiara tsy mataho-dalana, raha sendra nahatazana izany. Saingy mbola voadonan’ny fiara vaventy ihany no niara nilatsaka tany anaty antsana mandeha 16 metatra miala ny arabe, ka mpamily ny ย ยป Camion semi-remorque no maty tsy tra-drano. Naratra tsy nahatsiaro tena kosa ny mpamily mpanampy tao, ary olona niisa efatra niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dalana sy ny mpamilin’io fiara io naratra.
๐Ÿ“Œ Taorin’izay dia niara nifanome tanana ny ben’ny tanร na any kaominina volaza etsy aloha sy ny Zandary, tamin’ny fitondrasana an’ireo olona naratra ireo, teny amin’ny CHRR Maevatanร na, rehefa tsy vita tany amin’ny CSB II Antsiafabositra ny fitsaboana azy ireo. Zazakely iray no anisan’ireo naratra tamin’izany.
๐Ÿ“Œ Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa miisa roa ny olona mbola tsy mahatsiaro tena, tamin’ireo naratra nandritra lozam-pifamoivoizana niseho no manao zotra Antafia sy Maevatanร na ihany koa ny fiara tsy mataho-dalana tra-doza, izay potika niaraka tamin’ilay ย ยป Camion semi-remorque tany anaty antsana, saingy misy Zandary miandry hatreto, ireo fiara sy ny entana any amin’ny toerana nisehoan’ny loza.
โœ๏ธ Zandry be Tantely

Related Post