๐€๐ ๐ž๐ง๐œ๐ž ๐๐ˆ๐Ž๐Œ๐€๐ƒ | ๐๐š๐ง๐š๐ญ๐š๐ง๐ญ๐ž๐ซ๐š๐ค๐š ๐Ÿ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐ซ๐š๐ญ๐ข๐š๐ง๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐ฏ๐š๐ก๐จ๐š๐ค๐š๐ง’๐ข ๐Œ๐š๐ซ๐จ๐ฏ๐š๐ญ๐š๐ณ๐š , ๐ƒ๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐ข๐ค๐š๐ง’๐ข ๐€๐ง๐š๐ฅ๐š๐ฅ๐š๐ฏ๐š

106 0
Nanatanteraka fampiratiana tamin’ny vahoakan’i Marovataza , Disitrikan’i Analalava ny Agence BIOMAD Appliquรฉe ny zoma 01 martsa 2024. Nampahafantatra ireo vokatra vokariny ho an’ny tantsaha ity ivotoeram-pikarohana sy famokarana fanafody, zezika vita tamin’ny zava-maniry ity.
 
Manana tanjona ยซHampivoatra ny toekarena manga sy toekarena maitsoยป ny Agence BIOMAD & AGRO ร‰CONOMIE. Hampihena ny fatiantok’iireo mpamboly mampiasa ny vokatra simika koa ny Agence. Hiroso amin’ny fampiofanana an’ireo tantsaha mpamboly ao amin’ny Disitrikan’i Mampikony sy Port-Bergรฉ ary Analalava izay efa iparitahan’ny vokany ny Agence BIOMAD Appliquรฉe atsy ho atsy.
 
Ao Boriziny no misy ny foiben’izy ity izay miara-miasa amin’ny ONG RVBM (Rendez-Vous Boriziny Mandroso) sy ny AVENIR DE MADAGASCAR ( Association de Variรฉtรฉs d’Elites de la Nation Indigรจnes et Relevรฉs de Madagascar). Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiombiana ary ny tontolo ambanivohitra.
Marihina hatrany fa fanafody nandalo ยซย laboratoireย ยป nahazo fankatoavana avy tamin’ny fanjakana ny vokatra (fanafody) ao amin’ny BIOMAD. Tany amin’ny taona 2022 no nijoroan’izy ity rehefa nahazo alalana tamin’ny Minisitera.
 

Related Post

VONJEO MAROANAKOMBY FA ATAON’NY DAHALO TAMPIM-BARAVARANA IREO MPIFINDRA MONINA

Posted by - janvier 14, 2024 0
๐•๐Ž๐๐‰๐„๐Ž ๐Œ๐€๐‘๐Ž๐€๐๐€๐Š๐Ž๐Œ๐๐˜ ๐…๐€ ๐€๐“๐€๐Ž๐’๐๐˜ ๐ƒ๐€๐‡๐€๐‹๐Ž ๐“๐€๐Œ๐๐ˆ๐Œ-๐๐€๐‘๐€๐•๐€๐‘๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐…๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐€ ๐Œ๐Ž๐๐ˆ๐๐€ —   Vonjeo MAROANAKOMBY, ( FKT Maroanakomby , Commune Rurale Mandrosonoro,…

๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐Œ๐ˆ๐‘๐€๐‡๐€๐•๐€๐•๐˜ โ€“ ๐Ÿ๐Ÿ” ๐‰๐Ž๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“

Posted by - juin 28, 2025 0
๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐Œ๐ˆ๐‘๐€๐‡๐€๐•๐€๐•๐˜ โ€“ ๐Ÿ๐Ÿ” ๐‰๐Ž๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“ ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐Ÿฒ๐Ÿฑ ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—น๐—ฒ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ Natao tamim-pomba miavaka sy manandanja ny fankalazana…