β˜‘οΈ π——π—œπ—¦π—§π—₯π—œπ—žπ—”π—‘β€™π—”π—‘π—§π—¦π—”π—Ÿπ—’π—©π—” 𝗧𝗦𝗬 π—”π—©π—˜π—Ÿπ—”π—‘β€™π—‘π—¬ π—¦π—’π—Ÿπ—’π— π—•π—”π—©π—”π— π—•π—”π—›π—’π—”π—žπ—” 𝗛𝗒𝗧π—₯𝗔𝗑𝗗π—₯π—”π—›π—”π—‘β€™π—œπ—₯π—˜π—’ π— π—£π—’π—‘π—œπ—‘π—” 𝗑𝗬 π—žπ—”π—₯π—œπ—˜π—₯𝗔 𝗔𝗒 π—•π—˜π—žπ—’π—£π—”π—žπ—”

12 0
Mitaraina ireo mpitrandraka vato ao amin’ny kaominina ambanivohitra Bekopa satria ny solombavam-bahoaka izay tokony hiaro azy ireo indray no manakana ny fitadiavana izay ataon’izy ireo ; nandefa mpitandron’ny filaminana tany an-toerana ingahy solombavambahoaka nanomboka ny faha dimy ny volana septembre teo hanakana ny fitrandrahana izay ataon’izy ireo.
Ka manoloana izany dia miantso ny tompon’andraikitra mahefa ireo mponina avy amin’ny fokotany 11 ao amin’ny kaominana Bekopaka mba hijery azy ireo satria nohon’ny fandaminana sy fampandrian-tany izay nataon’i Colonel Faneva tamin’iny faritra iny dia niova fo ireo tanora dia izao nahita izao fikaramana mitrandraka vato izao saingy andefasan’ny solombavam-bahoaka izay voafidy tao amin’ny distrikan’ny Antsalova mpitandron’ny filaminana hanakana ny karama izay mba hiveloman’izy ireo nefa nohon’ny tany milamina no nahafahan’ireto mponina ireto nitrandraka izao.
Ny lehiben’ny distrikan’Antsalova dia nilaza fa tsy iraka avy aminy ireo mpitandron’ny filaminana nandeha tany izany ary tsy nafantatra ny fandehanan’ireo mpitandon’ny filaminana sy izay nataon’izy ireo tany ny tenanany hoy ny lehiben’ny distrika tamin’ny fifampiresahana taminy tamin’ny finday ary nilaza izy fa efa ao anatin-ny fandaminana ny fampidirana ireo mpitrandraka harena ankimbon’ny tany ao anatin’ny distrikan’Antsalova amin’ny ara-dalana ny tenany sy ny fitaleovam-paritry ny harena ankimbon’ny tany ao amin’ny faritra Melaky satria mahazo vahana tanteraka ny fidrandrahana ny harena ankimbon’ny tany ao anatin’ny distrikan’ny Antsalova tato ato nohon’ny tany efa milamina saingy nilaza mazava kosa izy fa tsy mbola nandefa mpitandron’ny filaminana tany Bekopaka ny OMC avy eo anivon’ny distrikan’Antsalova fa mbola eo ampandaminana fidinana ifotiny tanteraka izy sy ny fitaleovam-paritry ny harena ankimbon’ny tany ao amin’ny faritra Melaky amin’izao
Nangonin’i RA PA

Related Post