𝗦𝗢𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗥𝗜𝗡𝗬 : ᴍᴘᴀɴᴇɴᴅᴀᴋᴀ,ᴍᴘɪᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɢᴏɴʏ ary ᴍᴘᴀᴍᴀᴋʏ ᴛʀᴀɴᴏ
Lehilahy miisa 2 no voasambotra mahakasika ny raharaha fanendahana raha toa ka lehilahy iray hafa mahakasika ny vaky trano ;Ary sarona ihany koa ireo mpivarotra rongony eny amin’ny manodidina.
Ao anatin’ny hetsika sy ezaka hampihenana ny asan-jiolahy sy ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina tanteraka ny Zandary ao amin’ny Poste Avancé GN SOAMANANDRARINY amin’izao fotoana izao.
Nahitam-bokany izany satria ny Alahady 12 novambra 2023 dia lehilahy iray tompon’antoka tamina vaky trano nitranga tao AMBANIVATO SOAMANANDRARINY ny 31 oktobra 2023 no voasambotra teny ANDRALANITRA noho ny fahaiza-manaon’ireo mpanao famotorana sy fanadihadiana.
Voasambotra androany 13 novambra 2023 tao amin’ny toerana antsoina hoe ᴛᴇxᴀs ihany koa ny lehilahy miisa 02 izay efa nokarohin’ny Zandary volana maro izay noho ny raharaha fanendahana.
Marihina fa ny iray amin’izy ireto dia efa mpamerin-keloka satria ny taona 2017 izy dia efa nifonja teny AMBOHIDRATRIMO (𝒛𝒂𝒛𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂), ny 2018 kosa dia nifonja teny ANTANIMORA noho ny raharaha \/AKY TRANO avokoa no nanenjehana azy tamin’izany.
Tao anatin’ny hetsika izay natao ihany koa dia mpivarotra sady manome toerana hifohana rongony no voasambotra niaraka tamin’ireo rongony marobe sy emboka manitra androany 13 novambra 2023.