πΈπππ£π ππ ππ’ππͺ π½πππππππ«πππ ππͺ ππππ£π ππππ .
Raisinay ho adidy manokana ny fanaovana izao tatitra izao amin’ny Fitondram-panjakana. Raha nandalo tany amin’ny Commune Rurale Miandrarivo District Faratsiho RΓ©gion Vakinankaratra ny tenanay Dia toy izao ny Zavatra hita mikasika ny EPP Miandrarivo Ville, izany hoe eo amin’ny Renivohitry ny Commune :
Sary 1: Foto-drafitr’asa vao nahorin’ny Ray aman-dreny, ezaky ry zareo madiodio. Tsy vita satria tsy ampy ny ho enti-manana.
Sary 2 sy 3: Efitrano miasa, ahiana hitera-doza, Mila rΓ©habilitation
Sary 4: Isan’ny ankizy mianatra eto @ EPP Miandrarivo
Raha jerena Dia mitombo ny taha-pahavitrihan’ny mpianatra noho ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena saingy tsy maharaka sy ratsy loatra ny foto-drafitr’asa koa hanaovana antso avo aminareo Mpitondra fanjakana miahy izany.
Efa nisy antontan-taratasy mikasika azy io nataon’ny Tale sy ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra aty ifotony, (Tale, ZAP, CISCO, …sns).