𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – πƒπšπ‘πšπ₯𝐨 𝐒𝐫𝐚𝐲 π₯𝐚𝐯𝐨𝐧`𝐧𝐲 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐭𝐚𝐨 𝐌𝐚𝐫𝐨𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨

159 0
Dahalo iray nangalatra omby tao Amparihibe Marotandrano distrikan`i Mandritsara maty lavon`ny balan`ny zandary io takariva io. Araka ny loharanom-baovao, nisy omby iray tsy fantatra fiaviana hitan`ny fokonolona tao Amparihibe nifatotra anaty saha androany alarobia 22 may ka nambenan`ny zandary izay ho tonga haka azy, nony alina dia tonga haka ilay omby ilay olon-dratsy.
Nandositra jiolahy ity rehefa notairin`ny zandary niambina tsy lavitra ka avy hatrany nitifitra.
Mbola tsy fantatra hatreto ny fiavian`ilay olon-dratsy, notazomina ambalam-pamonjana kosa ny omby.
Nangonin’i Uni Razafy

Related Post

Fiarovam-pirenena β€” Fanavaozana lehibe eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena

Posted by - novembre 16, 2025 0
π…π’πšπ«π¨π―πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 β€” π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš π₯πžπ‘π’π›πž 𝐞𝐨 πšπ§π’π―π¨π§β€™π§π² π™πšπ§ππšπ«π’π¦πšπ«π’πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 Hoentina manakaiky kokoa ny vahoaka sy hamaly ny filΓ n’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao…