๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€ – ๐๐€๐๐Ž๐‹๐Ž๐“๐‘๐€ ๐‘๐€๐Š๐Ž๐“๐Ž ๐‰๐„๐€๐ ๐‘๐„๐๐„ ๐‡๐Ž ๐Š๐€๐๐ƒ๐ˆ๐ƒ๐€ ๐’๐Ž๐‹๐Ž๐Œ๐๐€๐•๐€๐Œ๐๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€ ๐๐˜ ๐’๐Ž๐‰๐€๐๐„

602 0

Nifamotoana tao an-tranompokonolona Mandritsara ireo Sojabe maherin`ny 500 avy amin`ny kominina 29 mandrafitra distrikan`i Mandritsara. Nifampiarahaba tratry ny taona 2024, androany talata 05 martsa, tamin`ny 9 ora maraina, ireo Sojabe tarihan`i Randriamihary Luc dit Luc Be.

Isany nasaina manokana tamin`izany Andriamatoa, ๐‘๐š๐ค๐จ๐ญ๐จ ๐‰๐ž๐š๐ง ๐‘๐ž๐ง๐žฬ, izay zanaka Mandritsara. Tamin`izany no nilazan`ireo Sojabe maro izay tonga ka nangatahan`izy ireo Atoa Rakoto Jean Renรฉ mba hirotsaka ho Kandida Solombavambahoaka ato anatin`by distrikan`i Mandritsara ary nilaza izy ireo fa vonona ny hifanampy sy hifanohana aminy amin`ny fampandrosoana marolafy ny distrika.

Tamin`izany no nilazan`Atoa Rakoto Jean Renรฉ, ny fahavononany ny hamaly io hetahetan`ny Sojabe ireo satria nahatsapa ireo Ray amandreny fa afaka hiara-hiasa amin`izy ireo ity farany.

Nangonin’i Claudio

Related Post

๐—›๐—–๐——๐——๐—˜๐—— : ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฅ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐˜€๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—›๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—˜๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—ข ๐—š๐—”๐—ญ๐—˜๐—ง๐—ฌ

Posted by - fรฉvrier 2, 2024 0
 ๐—›๐—–๐——๐——๐—˜๐—— : ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฅ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐˜€๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—›๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—˜๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—ข ๐—š๐—”๐—ญ๐—˜๐—ง๐—ฌ Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…