Nifamotoana tao an-tranompokonolona Mandritsara ireo Sojabe maherin`ny 500 avy amin`ny kominina 29 mandrafitra distrikan`i Mandritsara. Nifampiarahaba tratry ny taona 2024, androany talata 05 martsa, tamin`ny 9 ora maraina, ireo Sojabe tarihan`i Randriamihary Luc dit Luc Be.
Isany nasaina manokana tamin`izany Andriamatoa, πππ€π¨ππ¨ ππππ§ πππ§πΜ, izay zanaka Mandritsara. Tamin`izany no nilazan`ireo Sojabe maro izay tonga ka nangatahan`izy ireo Atoa Rakoto Jean RenΓ© mba hirotsaka ho Kandida Solombavambahoaka ato anatin`by distrikan`i Mandritsara ary nilaza izy ireo fa vonona ny hifanampy sy hifanohana aminy amin`ny fampandrosoana marolafy ny distrika.
Tamin`izany no nilazan`Atoa Rakoto Jean RenΓ©, ny fahavononany ny hamaly io hetahetan`ny Sojabe ireo satria nahatsapa ireo Ray amandreny fa afaka hiara-hiasa amin`izy ireo ity farany.
Nangonin’i Claudio