๐€๐ƒ๐˜ ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐Ž๐™๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐€๐‘๐€- ๐“๐’๐€๐Š๐€๐…๐Ž

292 0
Araka ny toromarika avy amin’i Ramatoa Minisitry ny Fizahan- tany sy ny asa-tanana dia notanterahina ny Alatsinainy faha 28 oktobra 2024 tao amin’ny efitra malalaka ny Ofisi-paritry ny Fizahan-tany ny fampihofanana voalohany an’ireo Mpikirakira sakafo ( restaurant, snack, salon de thรฉ, service traiteur, gargote, hotely gasy) ato anatin’ny Distrika Moramanga.
Tanjona ny hikarakarana sakafo madio, azo antoka, tsara kalitao ary ara- pahasalamana mba hisitrahan’ny Mpanjifa sy ireo Mpizahan- tany tonga misakafo any amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny.. Nandritra ny fifampizarana no nivoitra fa ny mayonnaise, ny menaka, ny lafarinina , matetika no antony mahatonga ny fanapozinana ,eo ihany koa ny fampiasana ny akora lany daty sy ny tsy fanajana ny fahadiovana.
Miara-misalahy amin’ny fanatratrarana ny tanjona miaraka amin’ny Ministeran’ny Fizahan- tany sy ny asa tanร na ny Ministeran’ny fahasalamana, ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampihofanana arak’asa ary ny Ofisi-paritry ny Fizahan-tany Alaotra Mangoro (ORTALMA).

Related Post

๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ – ๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ณ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ป๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป`๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฝ๐—ถ๐—ป๐—ผ ๐—ฆ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ผ

Posted by - juillet 20, 2024 0
๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ – ๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ณ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ฏ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ป๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป`๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฝ๐—ถ๐—ป๐—ผ ๐—ฆ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ผ (๐–ญ๐—‚๐–ฟ๐—‚๐–ฝ๐—’ ๐—‚๐—“๐–บ๐—’ ๐—๐—ˆ ๐–ฟ๐—‚๐—…๐—ˆ๐—๐–บ ๐—‚๐—“๐—’ ๐—‚๐—‹๐–พ๐—ˆ, ๐—๐—ˆ๐–บ๐–ฟ๐—‚๐–ฝ๐—’ ๐—‚ ๐– ๐—…๐—’)…