Zandarimariam-pirenena | Mitaky asa feno ezaka amin’ny tsirairay ny Foibem-pibaikona

513 0
๐Ÿ“Œ Araka ny toromarika azo avy any amin’ny foibem-pibaikona ny zandarimariam-pirenena, manolonana ny politika ankapoben’ny fanjakana, amin’ny lafiny filaminana sy fandriam-pahalemana (tanjona tratrarina manditra ny 100 andro) dia nampivory ny mpiara-miasa rehetra ny Kolonely, Thรฉodule RANAIVOARISON, Komandy ny CIRGN Toamasina, androany alatsinainy maraina faha 29 janoary 2024, nanomboka tamin’ny 08 ora.
 
 Fintin-dresaka :
๐Ÿ”น Mitaky asa feno ezaka amin’ny tsirairay ny Foibem-pibaikona mba hahazoana vokatra tsara, mivaingana ary malaky, hamaliana ny toromariky rehetra avy amin’ny fanjakana mba fanatsarana hatrany ny filaminana sy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra tsirairay avy.
 
๐Ÿ“Œ  Noho izany dia hatomboka androany ny hetsika fampandrian-tany eto Toamasina, ampihenana na anafoanana mihintsy ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana eto Toamasina sy ny manodidina; tsy very anjara ny amin’izany koa ny any amin’ny faritra Alaotra mangoro sy Analanjirofo ka
hatao vaindohan-draharaha ny hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fanjakana eo amin’ny lafin’ny filaminana sy fandriam-pahalemana, amin’ny alalan’ny zandarimariam-pirenena.
 
๐Ÿ“Œ  Midina any an-tsehatra ny rehetra manao izany asa izany. Mitaky fandavan-tena, feno fahavononana an-kitsimpo, am-pahazotoana izany ka nanentanany ny rehetra izy ny amin’izany, indrindra fa ireo manambononahitra sy manamboninahitra lefitra rehetra .
 
๐Ÿ“Œ Nandritra ny fivoriana dia nisy ny fanehoana ireo karazana oronantsary tahiry, tamin’ny alalan’ ny ย ยป vidรฉo projecteur ย ยป ireo karazana hetsika fampandrian-tany maro nandraisan’i Kolonely, Komandy ny fari-piadidin’ny zandarimariam-pirenena Toamasina amin’izao fotoana izao anjara, fony izy mbola niasa tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny; izany dia nentina nanehoana ny ย ยป ambiance sur terrain ยซย 
Hita sy tsapa nandritra izany fa dia mitaky fahavononana sy fahasahina ary faharetana ilay asa tina.
โฉ NAMANAO NY ZANDARIMARIA โช
 
๐Ÿ†” Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

Fahavitantena ara-tsakafo

Posted by - septembre 11, 2024 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinanโ€™ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…

๐€๐ง๐ญ๐š๐ง๐ข๐ง๐š๐ซ๐ข๐ฏ๐จ ๐ค๐ž๐ฅ๐ฒ/๐€๐ง๐ญ๐ฌ๐ข๐š๐Ÿ๐š๐›๐จ๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š: ๐…๐ข๐š๐ซ๐š ๐Ÿ’๐—๐Ÿ’ ๐ฏ๐จ๐š๐๐จ๐ง๐š๐ง’๐ง๐ฒ ย ยป ๐‚๐š๐ฆ๐ข๐จ๐ง ๐ฌ๐ž๐ฆ๐ข-๐ซ๐ž๐ฆ๐จ๐ซ๐ช๐ฎ๐ž.ย ยป ๐๐ข๐š๐ซ๐š ๐ง๐ข๐ฅ๐š๐ญ๐ฌ๐š๐ค๐š ๐ญ๐š๐ง๐ฒ ๐š๐ง๐š๐ญ๐ฒ ๐š๐ง๐ญ๐ฌ๐š๐ง๐š, ๐ฆ๐ฉ๐š๐ฆ๐ข๐ฅ๐ฒ ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ง๐จ ๐ฆ๐š๐ญ๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐ญ๐ซ๐š-๐๐ซ๐š๐ง๐จ, ๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ž๐ง๐ข๐ง๐š ๐ง๐š๐ซ๐š๐ญ๐ซ๐š.

Posted by - dรฉcembre 11, 2025 0
Araky ny efa notanterin’ny namana mpiara miasa teto amin’ny gazety an’habaka feon’ny demokrasia Madagasikara dia tahakan’izao manaraka izao ny tohin’ny…