Trangam-piaraha-monina Antsirabe : Fanampoizinana ara-tsakafo.

105 0

Fianakaviana efa-mianaka no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny fokontany Ambohidrano kaominina ambonivohitra Antsirabe ny sabotsy teo.Taorian’ny fihinanana “compose” ny folak’andron’io sabotsy io dia nitovy ny soritr’aretina azy efa-mianaka ka namonjy ny toeram-pitsaboana lehibe tsy miankina iray eto Antsirabe ny alahady.Rehefa natao ny “analyse” rehetra mahakasika ny fototr’aretina dia tsy nomena an’ireo fianakavian’ny marary ny valin’izany.

”Valiteny boribory no azonay avy amin’ny tompon’andraikitr’ity toeram-pitsaboanaity” hoy ny nambaran’ny fianakaviana.Nalefa nody androany anefa ny iray tamin’ireo marary ary mahatsapa ny fianakaviany fa tsy mbola tena feno ny fahasalamany.Izany indrindra no anaovan’izy ireo antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra mahakasika ity tranga ity satria ny saran’ny fanafody sy ny fizahana ary ny “analyse” samihafa tsy maintsy naloa nefa ny fotrory ny aretina sy ny valin’ny “analyse” tsy nomena azy ireo.

Nangonin’i Jaames Antsirabe

Related Post

𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐉𝐀𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - juillet 30, 2025 0
‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑨𝑴𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑻𝑨𝑵𝑻𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑻𝑬𝑶 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑴𝑷𝑰𝑺𝑶𝑳𝑶 𝑻𝑶𝑬𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑺𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑽𝑶𝑨𝑻𝑬𝑵𝑫𝑹𝒀 ‎‎ ‎ Andriamatoa ANDRIAMAHATANA Joëlis Charlis, ho…

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…