Fianakaviana efa-mianaka no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny fokontany Ambohidrano kaominina ambonivohitra Antsirabe ny sabotsy teo.Taorian’ny fihinanana “compose” ny folak’andron’io sabotsy io dia nitovy ny soritr’aretina azy efa-mianaka ka namonjy ny toeram-pitsaboana lehibe tsy miankina iray eto Antsirabe ny alahady.Rehefa natao ny “analyse” rehetra mahakasika ny fototr’aretina dia tsy nomena an’ireo fianakavian’ny marary ny valin’izany.
”Valiteny boribory no azonay avy amin’ny tompon’andraikitr’ity toeram-pitsaboanaity” hoy ny nambaran’ny fianakaviana.Nalefa nody androany anefa ny iray tamin’ireo marary ary mahatsapa ny fianakaviany fa tsy mbola tena feno ny fahasalamany.Izany indrindra no anaovan’izy ireo antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra mahakasika ity tranga ity satria ny saran’ny fanafody sy ny fizahana ary ny “analyse” samihafa tsy maintsy naloa nefa ny fotrory ny aretina sy ny valin’ny “analyse” tsy nomena azy ireo.
Nangonin’i Jaames Antsirabe





