TONDRA-DRANO MAHAFATY NAMELY NY HIMALAYA

61 0

Himalaya, India – 6 Aogositra 2025
Nandravarava ny tanàna ny fotaka, tsy vitsy ireo namoy namoy ainy, ary nanjavona tao anaty fotaka ny ankabeazan’ny tanana.

Ny Alatsinainy 5 Aogositra 2025, no nitranga ity loza voajanahary tampoka no namely ny tanàna kely Dharali ity, ao amin’ny distrikan’i Uttarkashi, fanjakana Uttarakhand any avaratr’i India. Vokatry ny « cloudburst » — orambe tampoka mahery vaika any amin’ny faritra be tendrombohitra — dia nitondra tondra-drano sy fotaka be nanafotra sy nandrava izay rehetra teny an-dalana. Raha araka ny tati-baovao avy any an-toerana dia manodidina ny 4 hatramin’ny 5 no maty voamarina hatreto, 50 mahery no mbola tsy hita, anisan’izany ny miaramila 11 tao amin’ny toby miaramila Harsil ary Trano, làlana, tambajotra herinaratra sy fifandraisana maro manera ny tanana no simba tanteraka.

Fantatra fa  olombelona maherin’ny 130 no efa voavonjy ary napetraka  amin’ny toerana azo antoka.

Tsy vao izao no nisian’ny loza tahaka izao tany Uttarakhand. Tamin’ny 2013, dia olona an’arivony no maty tamin’ny tondra-drano mitovy amin’ity. Araka ny tatitry ny manampahaizana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro, mitombo isa sy fahavoazana ireo loza mitranga amin’ny Himalaya noho ny:

  • Fihotsahan’ny ranomandry haingana (glacier melt)
  • Fiakaran’ny maripana sy fiovaovan’ny monsoon
  • Fanorenana be loatra tsy mandinika loza ara-jeôlôjika

Tsy miraviravy tanana anefa ny Mpitondra fanjakana any an-toerana fa  efa nidina ifotony  ka mampiasa ireo fitaovana eo am-pelatanana toy  drones, alika mpikaroka, ary fitaovana fanapariahana hafatra satelita entina hamonjena ny vahoaka sy hikarohana ireo mbola tsy hita.

Araka ny fanamarihana nataon’ny Mpandinika any an-toerana ihany dia ity no iray amin’ireo tranga mafy  miseho tato anatin’ny taona vitsivitsy, manamarina fa miparitaka sy mitombo hatrany ny risika amin’ireo faritra avo toy ny Himalaya, noho ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Reported by Habib Abdou Wyatt

Related Post

RUSSIE – AFRIQUE

Posted by - novembre 8, 2023 0
RUSSIE – AFRIQUE : Hanamboaran’ny RUSSIE Centrales Nucléaires i MALI sy BURKINA FASO izay hamaha tanteraka ny olan’ny erin’aratra. Kihon-dalana…

𝐍𝐢𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐍𝐢𝐠𝐞𝐫 𝐢 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟑, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝐍𝐢𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐍𝐢𝐠𝐞𝐫 𝐢 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟑, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚 Nohavaozina taminy 11/14/2024 amin’ny…