๐—ง๐—ผ๐—ท๐—ผ ๐—ฅ๐—”๐— ๐—œ๐—Ÿ๐—œ๐—”๐—ก๐—ง๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ก๐—ง๐—ฆ๐—ข๐—” ๐—œ๐—ฆ๐—”๐—ก’๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ž๐—”๐—ก๐——๐—œ๐——๐—” ๐—›๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—˜๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—ข ๐—š๐—”๐—ญ๐—˜๐—ง๐—ฌ ๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—–๐—˜๐—ก๐—œ

20 0
๐—ง๐—ผ๐—ท๐—ผ ๐—ฅ๐—”๐— ๐—œ๐—Ÿ๐—œ๐—”๐—ก๐—ง๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ก๐—ง๐—ฆ๐—ข๐—”
๐—œ๐—ฆ๐—”๐—ก’๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ž๐—”๐—ก๐——๐—œ๐——๐—” ๐—›๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—˜๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—ข ๐—š๐—”๐—ญ๐—˜๐—ง๐—ฌ ๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—–๐—˜๐—ก๐—œ
——–
๐—ž๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ถ๐—ฑ๐—ฎ – ๐—ฎ๐—ณ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ต๐—ถ๐˜€๐—ผ๐—น๐—ผ๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—š๐—ฎ๐˜‡๐—ฒ๐˜๐˜† ๐—ฒ๐—ผ ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐˜ƒ๐—ผ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—–๐—˜๐—ก๐—œ ๐—ป๐˜† ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—ด๐—ฎ๐˜‡๐—ฒ๐˜๐˜† ๐—ง๐—ผ๐—ท๐—ผ ๐—ฅ๐—”๐— ๐—œ๐—Ÿ๐—œ๐—”๐—ก๐—ง๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ก๐—ง๐—ฆ๐—ข๐—”
——-
Tanterahana ny zoma 10 Aprily izao ny fifidianana izay ho solontenan’ny mpanao gazety eo anivon’ny CENI. Miisa 41 ireo mpifidy #manokana hanatanteraka izany izay ahitana ny Filohan’ny holafitra teo aloha, ny mpikambana ao amin’ny Ct OJM nasionaly sy ny mpandrindra rezionaly ary ireo mpandrindram-paritra miisa 24.
Isan’ireo kandidร  amin’izany ny namana mpanao gazety Tojo RAMILIANTARINTSOA – izay mpanao gazety amperinasa nahafeno ny fepetra takian’ny mpikarakara an’io fifidianana io. ย ยป Tao anatin’izay 20 taona latsaka kely nidirana nanaovana gazety izay dia maro ny traikefa azo entina sy hijoroana ary hitondrana ny anjara biriky ao anatin’io CENI io. Vonona isika hisolontena ny mpanao gazety ao anatin’izany ย ยป , araka ny fanazavana fohy
nentiny.
Filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety an’habaka eto Madagasikara i Tojo RAMILIANTARINTSOA ( APPEL) . Efa mpanao gazety nanomboka ny taona 2008 ary niasa ho mpanao gazety nikirakira ny ara-politika tamina orinasan-gazety maro. Efa tonian-dahatsoratra tamina trano fanaovan-gazety maromaro ihany koa ary ankehitriny dia mpanao gazety amperinasa sy talen’ny famoahana ny gazety Ledefi.Mg. ย ยป Niainako sy nandalovako avokoa ny karazam-pifidianana nisy teto amin’ny firenena. Tsy nijanona ho mpampita vaovao fotsiny aho fa niezaka nitondra ny hetahetam-bahoaka tamin’ny alalan’ny lahatsoratra sy ny reportage – indrindra ny vaovaom-pifidianana nifandimby teto. Vonona isika hitondra ny fahaiza-manao rehetra norantovina teto an-toerana na tany ivelany entina hijoroana sy hanatanterahana izany andraikitra izany raha isika no voasafidy amin’izany ย ยป , hoy hatrany ny fanazavany.
Tsara ny manamarika fa manampahaizana momba ny Serasera nivoaka teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Tojo Ramiliantarintsoa ( Master en Communication ) ary nandrato fiofanana maro momba ny asan-gazety sy tamin’ny sehatra marolafy toa ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny lalร na , ny haitao sy ny teknolojia vaovao. Efa mpanolotsaina sy mpikambana tao anatina kabinetrana ministera maromaro ihany koa ary imbetsaka nifanakalo traikefa tamin’ireo mpisehatra iraisam-pirenena ihany koa.
๐ŸŸฅ Ireto avy ireo kandidร  enina afaka hiatrika ny fifidianana, araka ny filaharany :
๐Ÿ‘‰Marc Antoine
๐Ÿ‘‰Rakotoarisoa Anitra
๐Ÿ‘‰ Rabekijana Fรฉlix
๐Ÿ‘‰ Ramiliantarintsoa Tojo
๐Ÿ‘‰Rakotonirina Gรฉrard
๐Ÿ‘‰ Randrianindrina Zoelson

Related Post