TOBY KRISTY MANAFAKA IBORA | MPIOMANA 71 MIANADAHY NO VOATOKANA HO MPIANDRY TAMIN’NY TAONA ITY.

70 0

ππ„π“π’π€πŠπ€ πˆπ‘π„πŽ πŽπ‹π€ππ€ π’π„πƒπ‘π€πˆπ’𝐍𝐘 π“πŽππ˜ πŠπ‘πˆπ’π“π˜ πŒπ€ππ€π…π€πŠπ€ πˆππŽπ‘π€ πŠπ€ πˆπ‹π€ππ˜ π…π€ππŽπŒπ„π™π€π-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 π€π•π˜ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π“π’πˆπ‘π€πˆπ‘π€π˜. πŒππˆπŽπŒπ€ππ€ πŸ•πŸ πŒπˆπ€ππ€πƒπ€π‡π˜ 𝐍𝐎 π•πŽπ€π“πŽπŠπ€ππ€ π‡πŽ πŒππˆπ€ππƒπ‘π˜ π“π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π“π€πŽππ€ πˆπ“π˜.

Tsy fisian’ny toeram-pidiovana , tsy fahampian’ny rano fisotro madio, faharatsian-dalana, faharisarisan’ny fandriampahelamana, tsy fisian’ny hazavana no olana goavana maharary ny mpizaika sy mponina amin’ny Toby Kristy Manafaka Ibora. Toby eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) manana ny lazany sy ny tantarany , hita aty amin’ny Faritra Sofia.

Manoloana ireo olana ireo dia miandrandra sy miantso fanampiana avy amin’ny tsirairay na fitondram-panjakana na zanaka ampielazana sy ny olona tsy ankanavaka ny tompon’andraikitra. Raisiny avokoa ny tolo-tanana avy amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy ny mpitandrina tompon’andraikitra nandritra ny lahateniny.

Mpino kristianina hita avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara miisa 3000 mahery no tonga nizaika , nanovo fahamasinana tany an-toerana namonjy ny isan-kerintaonan’ny Toby ity ny 07 ka hatramin’ny 11 Aogositra teo. « Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho Jehovah AndriamanitrareoΒ Β» , (Lev 19, 12b) no teny faneva nandritra ity zaika ity.

Tamin’ny alahady 11 Aogositra no famaranana ny fivoriana sady fotoam-panokanana. Ka mpiandry 71 mianadahy nisalotra andiany FANASINA no nitonana tao amin’ny « ChapelleΒ Β» Toby Kristy Manafaka Ibora. Atoa Randriamamonjisoa Gorges Henri, Birao Foibe eo anivon’ny FJKM no nitarika ny fanokanana ireto mpanompon’ Andriamanitra nanolo-tena ireto.

Tsaramonina James Eric, Mpitandrina , Filohan’ny FSPE (Firaisan’ny SynodamParitany Enina) aty Sofia no mpitarika ny fotoam-pivavahana raha ny Mpitandrina Ratsiresimampionina Razanadrakoto Dida izay Filohan’ny Komitin’ny Toby Kristy Manafaka Ibora no nitoriteny tamin’izany.

Hiasa ato amin’ny FSPE fa indrindra SP Sofia Andrefana avokoa ireto mpiandry vaovao eo anivon’ny Fiangonana FJKM ireto rehefa nianatra sy niofana nandritra ny roa taona. Nangataka fitondrana ambavaka avy amin’ny zanaky ny Fiangonana izy ireto mba hahavita soa aman-tsara ny antso nekeny.

Nampitain’i Gabin Eloi

Related Post

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ π€πβ€™πˆ π‘π€πŒπ€π“πŽπ€ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π‹π€π‡πˆπƒπˆπβ€™ππ˜ ππˆπ‘π€πŽπŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŠπ“ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…