Niara nisalahy t@ fanadiovana ny sisin’ny ranomasina ireo fikambanana sy mpiasam-panjakàna ary ireo manam-pahefana.
Hetsika izay tafiditra tamin’ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina ,ka nanamafisana ny fanentanana ny rehetra mba tsy hanary fako amorond-ranomasina sy ao anaty ranomasina.
» Tsy amin’ny hetsika tahaka izao ihany no anadiovana ny sisin’ny ranomasina, fa tokony isanandro dia mahatsapa tena ny tsirairay mba tsy handoto ny sisin’ny ranomasina sy tsy hanary fako indrindra fa ireo fako plastika manodidina sy anatin’ny ranomasina » hoy ny Talem-paritry ny Jono sy ny toe-karena manga Antsinanana,Atoa Raharimandimby Simon .
Nangonin’i Claudia Tsitolomy