TOAMASINA : Misy hatrany ny vokatra azon’ny PΓ΄lisy mandritran’ny fanaovana fisafoana andro sy alina.

468 0
πŸ“Œ Nanamarika ny Commissariat Central Toamasina ny fahatratrarana lehilahy iray mpanendaka,izay nahatratrarana antsy lava iray miampy telepjone halatra tamin’ny lalam-pasika ambadiky ny gare routiΓ¨re Tanambao V ,ny 09 febroary 2024 tamin’ny 01 ora maraina.
 
πŸ“ŒNisy namany roa hafa kosa no tafatsoka.
Rehefa natao ny fanadihadiana dia hita ny tompon’ilay telephone fa tovovavy iray nohedahin’izy ireo tany @ boulevard Joffre.
 
πŸ“Œ Mitohy ny fikarohana ireo namany ,izay ahina ho mpanao ny asa fanendahana manomboka eny amin’ny morondranomasina, mandrapahatonga amin’ny Tanamakoa lalana, LycΓ©e Francais sy LycΓ©e Technique hatreny amin’ny gare routiΓ¨re Tanambao V iny.
 
πŸ“Œ Nambaran’ny Commissaire Rakotondrainivonona PanΓΆel TSIKY, Lehiben’ny Commissariat Central fa « mitohy ny fanatanterahana ny toromarika avy amin’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana eto Toamasina.
 
πŸ“Œ Manentana ny tsirairay mba ho sahy hampandre mpitandro ny Filaminana raha toa ka mahatsikaritra trangana tsy fandriam-pahalemana.Β Β»

πŸ†” Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy

Related Post

π“π€ππ€πŒππ€πŽ 𝐕 – π€ππ“π’πˆπ‘π€ππ€ππ€ : π‹π„π‡πˆπ‹π€π‡π˜ ππˆπ“πŽππƒπ‘π€ π‘πŽππ†πŽππ˜ πŒπˆπ‹π€ππ‰π€ 𝟏𝟎 πŠπˆπ‹π€πŽ ππŽπ’π€πŒππŽπ‘πˆπβ€™ππ˜ ππŽπ‹πˆπ’πˆπŒππˆπ‘π„ππ„ππ€

Posted by - dΓ©cembre 16, 2025 0
π‘΄π’Šπ’•π’π’‰π’š π’π’š π’‚π’…π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’Šπ’‘π’‚π’“π’Šπ’•π’‚π’‰π’‚π’β€™π’π’š 𝒛𝒂𝒗𝒂-π’Žπ’‚π’‰π’‚π’…π’π’Žπ’†π’π’Šπ’π’‚ Ny alin’ny 13 Desambra 2025, nandritra ny fisafoana ara-pilaminana nataon’ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny…