TOAMASINA | Feno roa taona ny FPA Fikambanamben’ny Polisim-pirenena Atsinanana

278 0
TOAMASINA : Feno roa taona ny FPA Fikambanamben’ny Polisim-pirenena Atsinanana. Notanterahina omaly ny fifampiarahabana nahatratraraa ny taona vaovao ho azy ireo.
 
Tratra ny tanjona napetraka dia ny hampivondrona sy hampiray hina ny Polisy, eo ihany koa ny fijerena ny lafin’ny sosialy satria mafy ny asa atrehina indraindray, ary anisan’ny azahoana vokatra tsara ny fifankaherezana. Ny fihaonana tahaka izao dia natao mba hiaraha-mifaly amin’ny fianakaviana hoy ny BCP MBININTSOA Clarc,Filohan’ny FPA.
 
Tao amin’ny Stella Maris no nanaovana ny lanonana fiarahabana tratry ny taona,ka tonga nanome voninahitra izany ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana sy ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena izay nidera manokana ny zava-bitan’ny FPA nandritra izay roa taona izay.
Tao ihany koa ireo Manam-pahefana avy eto Toamasina.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

CITÉ DES CULTURES

Posted by - octobre 5, 2024 0
Ivontoerana ara_kolontsaina iray nosokafan »ny BOA nisokatra nanomboka ny volana mey 2024 lasa teo eny Antaninarenina.Entina hampiroboroboana kolontsaina samihafa. Ahitana efitrano…