TOAMASINA | Feno roa taona ny FPA Fikambanamben’ny Polisim-pirenena Atsinanana

310 0
TOAMASINA : Feno roa taona ny FPA Fikambanamben’ny Polisim-pirenena Atsinanana. Notanterahina omaly ny fifampiarahabana nahatratraraa ny taona vaovao ho azy ireo.
 
Tratra ny tanjona napetraka dia ny hampivondrona sy hampiray hina ny Polisy, eo ihany koa ny fijerena ny lafin’ny sosialy satria mafy ny asa atrehina indraindray, ary anisan’ny azahoana vokatra tsara ny fifankaherezana. Ny fihaonana tahaka izao dia natao mba hiaraha-mifaly amin’ny fianakaviana hoy ny BCP MBININTSOA Clarc,Filohan’ny FPA.
 
Tao amin’ny Stella Maris no nanaovana ny lanonana fiarahabana tratry ny taona,ka tonga nanome voninahitra izany ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana sy ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena izay nidera manokana ny zava-bitan’ny FPA nandritra izay roa taona izay.
Tao ihany koa ireo Manam-pahefana avy eto Toamasina.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀

Posted by - décembre 8, 2023 0
𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐁𝐎𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐎 𝐊𝐀 𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀   Mandry andriran’antsy…