TOAMASINA : Ao anatin’ny tanjany tanteraka ny antoko TGV aty amin’ny Faritra Atsinanana

213 0
🔹Omaly faha 10 mey 2025 no nanaovana ny « Redynamisation » ho an’ny Antoko TGV,ka teto Toamasina Renivohitra no nanaovana izany.
Nahatonga Solotena avokoa ny Distrika Fito. Tonga nanotrona ireo TGV avy amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Analanjirofo.
🔹Ankoatry ny fiomanana amin’ny Kongresy Nasionaly,dia noresahana ihany koa ny fiainan’ny Antoko tamin’ny Ankapobeny.
🔹 Fantatra fa misy Fikambanana maro miara miasa akaiky amin’ny TGV,ary nohon’ny fiombonana nisy hatramin’izay,dia nibata fandresena hatrany ny TGV tamin’ireo fifidianana rehetra nisy.
Nitarika ny fotoana ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko TGV ,sady VPAN misahana ny Faritanin’ny Toamasina Rtoa IRMAH Naharimamy.
🔹Nanome voninahitra kosa Atoa Rafidison Richard Theodore Minisitra miahy ny Faritra Atsinanana sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
« 𝐻𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑎 𝐹𝐾𝑇 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑑𝑖𝑎 ( 𝐹𝐾𝑇 𝑃𝑖𝑙𝑜𝑡𝑒) 𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑘𝑜 𝑎ℎ𝑜, 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑣𝑜𝑛𝑖𝑘𝑜, 𝑘𝑎…