Tena Mila vonjy ireo Tantsaha ao amin’ny distrika Anjozorobe sy Ankazobe.

375 0
 
Tena Mila vonjy ireo Tantsaha ao amin’ny distrika Anjozorobe sy Ankazobe.
 
Mahakasika ilay FANAFIHAN-DAHALO tao Tranokambana, Kaominina Fihaonana Distrika Ankazobe omaly alina.
Niditra ny tanàna ny dahalo teo amin’ny 8 Ora alina teo ary nanampina ny kiondalana rehetra izy ireo sady nanapoaka basy tsy akiato. Niezaka niditra tao an-tokatranon’i madame Monique kosa ireto sasany. Sarotra nidirana anefa tao satria saika feno « grillage » ny lavarangana sy ambanin’ny lavarangana rehetra. Ora iray taty aoriana vao tafiditra tao andavarangana ny sasany tamin’ireo dahalo. Tsy nahavita namoha ny varavarakely indray izy ireo ka avy hatrany dia nanapa-kevitra nandoro ny trano ary niandry ireo olona tao hivoka mba hakany izay olona mivoaka ho hataony takalon’aina . Tsy nivoaka anefa ireo olona tao an-trano ka lasa nitsoaka ireo dahalo teo amin’ny 9 Ora sy 40 minitra alina teo ho eo.
 
Nandritra izany dia sepotra tao anaty trano noho ny firehetan’ny trano i madame Monique izay tompotrano vadin’i Mr Jean Christophe ka nindaosin’ny fahafatesana ny Alin’iny ihany, avotra soamantsara kosa ny olona hafa.
Ireo fokonolona manodidina moa saika hifanampy hifanavotra ihany fa tifitra tsy akiato no havalin’ireo jiolahy izay mivoaka ny trano.
 
Mampalahelo io trangan-javatra ao Ankazobe sy Anjozorobe io mahakasika ny resaka kidnapping ka mila jerena akaiky mihitsy. Mila manao fanadihadiana lalina, arahana fidinana ifotony ho fanafoanana an’io. Feno Kalachnikov sy mas 36 ao, tsy ho resin’ny fokonolona intsony fa mila anareo manana basy hanafoanana an’io.
Jereo akaiky ilay tantsaha fa tena mijaly, ampio ny éléments ao Ankazobe ao fa dahalo aman-jatony no manana kalack. Nisy fotoana aza moa dia niverim-potsiny ireto Zandary fa 8 isa fotsiny izy ireo no nifanehitra tamin’ny dahalo marobe milanja kalachnikov sy mas36.
 
Nampitan’i Rajerison Antoine 

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…