ππ€πŒπŽπ€πŠπ€ 𝐍𝐘 π€ππƒπˆπ€ππ˜ 𝐓.𝐈.𝐀.𝐍.𝐀 𝐍𝐘 πˆππ’ππ€π‹πŒ π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€

64 0
Andiany faha 09 nitondrana ny anarana T.I.A.N.A ( Tandroviko Isan’Andro Ny Aina) no navoakan’ny INSPALM (Institut SupΓ©rieur des ParamΓ©dicaux Alaotra Mangoro) Ambatondrazaka ny Zoma 13 Desambra 2024 tao amin’ny Masinjara.
Nitarika ny lanonam-pamoahana ireo « infirmiers »miisa 71 sy  » Sage Femmes* miisy 35 ny tale jeneraly sady nanorina ny sekoly ambony Andriamatoa ANDRIANANDRAINA HERINIAINA JOACHIN.
Nahatonga solo-tena nanome voninahitra ny lanonana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy ato anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Ben’ny Tananan’Ambatondrazaka Andriamatoa RATIANARIVO Roger moa ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Folo taona izao.
Ny taona 2013 moa no niforonan’ny INSPALM ao Mangarivotra Ambatondrazaka ity ary efa mpiofana an-drivony no nivoaka tao ka maro amin’izy ireo no efa amperin’asa ankehitriny ary marihana fa manaraka ny rafim-mpampianarana LMD INSPALM.
πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post