Fifantenana izay ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta.
Tamin’ireo anarana telo natolotry ny vondron’ireo solombavambahoaka maro an’isa avy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamiko dia Andriamatoa NTSAY Christian no notendreko ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Mazava ny anton’ny safidiko satria mila olona za-draharaha sy mahitsy ary tsy mivadi-pitokisana ny fanatanterahana ny fampandrosoana tiantsika apetraka. Mila olona mahafehy ireo asa fampandrosoana sy ny fanatanterahana ireo vina