饾棤饾棦虃饾棫饾棦虃 : 饾棤饾棔饾棦饾棢饾棓 饾棫饾棪饾棳 饾棝饾棓饾棤饾棧饾棞饾棝饾棓饾棩饾棞饾棥饾棓 饾棞饾棝饾棓饾棥饾棳 饾棞饾棩饾棙饾棦 饾棢饾棓饾棢饾棓虃饾棥饾棓 饾棭饾棓饾棦饾棭饾棓饾棦 饾棤饾棦饾棤饾棔饾棓 饾棥饾棳 饾棧饾棙饾棩饾棤饾棞饾棪 饾棪饾棳 饾棖饾棓饾棩饾棫饾棙 饾棜饾棩饾棞饾棪饾棙

126 0

Nitondra fanazavana ofisialy ny Agence des Transports Terrestres (ATT) fa mbola tsy hampiharina amin鈥檌zao fotoana izao ireo lal脿na vaovao mahakasika ny permis sy carte grise ho an鈥檔y m么t么 eto Madagasikara.

Tsiahivina fa nisy ny fanambarana nivoaka teo aloha nilaza fa tsy maintsy manana permis de conduire sy carte grise avokoa ireo m么t么 rehetra mivezivezy eto amin鈥檔y firenena. Izany vaovao izany no niteraka resabe sy ahiahy teo amin鈥檌reo mpampiasa m么t么 maro manerana ny Nosy.

Na izany aza anefa, nanamafy ny ATT fa mbola eo am-panomanana sy fifampidinihana miaraka amin鈥檌reo tompon鈥檃ndraikitra voakasika ny fampiharana ireo fepetra vaovao ireo. Midika izany fa mbola tsy misy fampiharana avy hatrany amin鈥檌zao dingana izao.

Araka ny fanazavana, mbola ilaina ny fandrindrana ara-teknika sy ara-pitantanana alohan鈥檔y hanombohana amin鈥檔y fomba ofisialy ny fanatanterahana izany lal脿na izany, mba hisorohana ny korontana sy hanamorana ny fanarahan鈥檔y rehetra azy.

馃搶 Miantso ny vahoaka ny ATT mba hanaraka ireo fanambarana ofisialy ihany ary tsy ho taitra manoloana ireo vaovao tsy voamarina miparitaka amin鈥檔y tambajotra sosialy.

馃殾 Raha vao misy fanapahan-kevitra ofisialy sy daty mazava momba ny fampiharana ireo fepetra vaovao, dia hambara amin鈥檔y fomba ofisialy amin鈥檔y vahoaka izany.

Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

饾悪饾悁饾悕饾悆饾悁饾悜饾悩 饾悜饾悗饾悁 饾悞饾悁饾悓饾悩 饾悓饾悁饾悡饾悩 饾悁饾悓饾悘饾悇饾悜饾悎饾悕饾悁饾悞饾悁

Posted by - octobre 31, 2024 0
饾悪饾悁饾悕饾悆饾悁饾悜饾悩 饾悜饾悗饾悁 饾悞饾悁饾悓饾悩 饾悓饾悁饾悡饾悩 饾悁饾悓饾悘饾悇饾悜饾悎饾悕饾悁饾悞饾悁 (饾拋饾拏饾拸饾拝饾拏饾挀饾挌 饾拵饾拺饾拪饾拏饾拸饾拏-饾拝饾挀饾拏饾拤饾拏饾挀饾拏饾拤饾拏 饾拪饾挀饾拏饾挌 饾拸饾拪饾挄饾拪饾拠饾拪饾挄饾挀饾拏 饾拲饾拞饾拤饾拪饾拑饾拞饾拸饾挌 饾挄饾拏饾拹 饾拏饾拵饾拪饾拸`饾拸饾挌 饾應饾懞饾懆饾懚 饾懇饾拞饾挀饾拹饾挀饾拹饾拤饾拏 饾拸饾拪饾挄饾拪饾拠饾拪-饾挄饾拞饾拸饾拏 饾拪饾挍饾挌 饾拏饾挆饾挌 饾拞饾拹) 鉁ahoraka tato…