Manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny rotsak’orana any amin’ny faritra sasany, nanambara hetsika manokana hanamorana ny fahazoan’ireo mpamokatra agropastoral forage amin’ny vidiny tohanan’ny fanjakana ny governemanta burkinabè.
Araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fambolena, ny Rano, ny Harena an-kibon’ny fiompiana ary ny Jono, dia natao araka ny toromariky ny filohan’i Burkina Faso, Kapiteny Ibrahim Traoré, ity fepetra ity. Kendrena amin’izany ny hanohanana ny famokarana mandritra ny vanim-potoana maina sy hampihenana ny fiankinan’ny fambolena amin’ny rotsak’orana fotsiny.
Anisan’ny olana sedrain’ny sehatry ny fambolena ao Burkina Faso ny fahazoana rano ampy mandritra ny taona. Noho izany, ny fampiasana forage manana taham-pamokarana rano avo dia antenaina hanampy ireo tantsaha hanohy ny voly amin’ny vanim-potoana ivelan’ny fotoam-pahavaratra sy hanitatra ny velaran-tany azo tondrahana.
Tsy vao izao anefa no nampidirina tao anatin’ny politikam-pambolena burkinabè ny fampiasana rano ambanin’ny tany. Tamin’ny volana Mey 2026, ny tetikasa Projet de développement agricole de Dangoumana (PDAD) dia efa nahavita forage miisa 178 tany amin’ny faritra Guiriko sy Tannounyan. Araka ny antontan’isan’ny minisiteran’ny Fambolena, eo anelanelan’ny 16 sy 30 metatra toratelo isan’ora ny taham-pamokaran’ireo forage ireo.
Ao Badara, ohatra, forage valo no mamatsy rano amin’ny velaran-tany fambolena mirefy 30 hektara, miaraka amin’ny rafitra paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tombanana ho 221 metatra toratelo isan’ora ny fitambaran’ny rano azo avy amin’ireo forage ireo. Ny tanjona dia ny hahafahan’ny mpamboly mamokatra hatramin’ny intelo isan-taona, anisan’izany ny vary, katsaka, varimbazaha ary voatabia.
FAMORIANA RANO HO LAHARAM-PAHAMEHANA
Mifanindran-dalana amin’ny fanamboarana forage ihany koa ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fitahirizana rano eny ambonin’ny tany.
Tamin’ny 31 Janoary 2026, natomboka tao Gonsé ny fandaharanasa nasionaly fanadiovana sy fanarenana tohodrano 100, miparitaka amin’ny faritra 12 ao Burkina Faso. Maherin’ny 19 miliara FCFA ny tetibola natokana ho amin’izany, avy amin’ny tetibolam-panjakana 2026.
Ny tanjon’ilay fandaharanasa dia ny hampitombo ny fahafahan’ireo tohodrano mitahiry rano, hanatsara ny famatsian-drano, hanohana ny fambolena voatondraka, ny fiompiana ary ny jono. Kendrena ihany koa ny hampihenana ireo olana sy fifanolanana mety ateraky ny fahasarotan’ny fahazoana rano.
Araka ny minisiteran’ny Fambolena, olana lehibe amin’ireo fotodrafitrasa fitahirizan-drano ao amin’ny firenena ny fahafenoan’ny fotaka sy fasika, ny fahasimban’ny tohodrano ary ny fahanteran’ireo fotodrafitrasa. Nambaran’ny ministera fa 40 isan-jaton’ireo tohodrano no efa tena simba, 50 isan-jato no simba antonony, ary 10 isan-jato monja no mbola ao anatin’ny toe-javatra tsara.
Amin’ny fampifandraisana ny fanamboarana forage, ny rafitra fanondrahana ary ny fanarenana ireo fitahirizan-drano, dia mikendry ny hampitombo ny fahazoan’ireo mpamokatra rano mandritra ny taona ny manampahefana burkinabè.
Ny tena fanamby manaraka dia ny fomba hampiharana eny ifotony ireo tetikasa ireo, ny fahafahan’ireo tantsaha mahazo ireo forage tohanan’ny fanjakana, ary ny fitantanana maharitra ny loharanon-drano, indrindra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Nangonin’i Nema SAMIRATOU


