Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara | Niarahaba ny Minisitry ny Fitsarana

356 0
TONGA NIARAHABA NY MINISTRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA NY SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) SY NY HOLAFITRY NY MPISOLOVAVA ARY IREO MPITANTANA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY MANODIDINA AN’ANTANANARIVO.
 
📌  Zoma 19 janoary 2024, tonga niarahaba, nifanesy teto amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny Fitsarana teto Faravohitra ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara, ny Holafitry ny Mpisolovava ary ireo Filoha mpitantana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany manodidina an’Antananarivo. Niarahaba sy nirary soa ho an-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana nohon’ny fahatratrarana ny taona vaovao sy ny fanendrena azy indray ary indrindra amin’ny hiatrehana indray ny ho taom-pitsarana 2024.
 
📌  Ary tamin’izany dia, efa niroso tamin’ny dinika mahakasika asa avy hatrany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, raha nandray ireo Filoha mpitantana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany manodidina an’Antananarivo (Juridictions de Tanà) ny tenany.
 
🆔 Nangonin ‘Lay Mahintsy
ⒸMinJust
 

Related Post

Distrikan’Ambatondrazaka | Akon’ny andron’ny 08 MARTSA

Posted by - mars 8, 2025 0
« 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧-𝐣𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐳𝐚𝐭𝐨𝐯𝐨 𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 » Tsy nahasakana ny rehetra tsy hankalaza tao anatin’ny hafaliana sy…