SADABE  | ILAY TANANA MIANOKA AO ANATIN’NY TONTOLO IAINANA MADIO

11 0

Ny Kaominina SADABE, dia iray amin’ireo Kaominina ato anatin’ny Distrikan’i Manjakandriana, eto anivon’ny Faritra Analamanga.

Ankoatr’ilay tetik’asa lehibe, dia ilay lalam-be miala eto Antananarivo, mihazo an’i Toamasina Renivohitr’i Betsimisaraka, izay tsy lavitry ny tananan’i Sadabe dia manana ny mampiavaka azy ity tanana mianoka tanteraka ao anatry natiora madio sy milamina ity.

Raha araka ny fanazavana nomen’Andriamatoa ANDRIANASOLO Martin isan’ireo tompon-tanindrazana, ary iray amin’ireo taranaky ny olona voalohandohany tety,  dia zanak’Andriambe no Mponina eto Sadabe, ary mifamatotra tanteraka amin’ny tantaran’Andrianamponimerina.

Mpiompy sy mpamboly ny vahoaka ato anatin’ity Kaominina ity, kanefa maro ihany koa ny mivelona amin’ny asan-tanana izay efa lova nolovaina avy amin’ireo Ray aman-dreny izay efa nialoha lalana.

Mahay mifanampy sy miray hina ny Razantsika tety hoy RASOARAINIMANDIMBY Herverd, ka tokony hotohizan’ireo taranaka mifandimby aty aoriana izany.

Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

𝐍𝐢𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐍𝐢𝐠𝐞𝐫 𝐢 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟑, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝐍𝐢𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐞𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐍𝐢𝐠𝐞𝐫 𝐢 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟑, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚 Nohavaozina taminy 11/14/2024 amin’ny…