RN6 | Ratsy be ny lalana Befotaka

674 0

Nohon’ny rotsak’orana misesisesy dia simba ary mila tsy ho azo ampiasaina intsony ny lalam-pirenena faha enina (RN), ity lalam-pirenena ity dia mampitohiny an’Antsiranana sy Antananarivo, eo  Befotaka -Maromandia moa no tena ahitana sy iharan’izay faharatsian-dalana izay.

Amin’izao fotoana izao, dia Kamiao 4 sy fiara fitaterana mahery ny 15 no mihato nanomboka omaly Zoma 23 Febroary 2024, araka ny filazan »ireo Mpitatitra dia lalina loatra ny lavaka misy eny an-dalana ka miteraka fahasimban’ny fiara, ankoatry ny oran’andro mifafy any an-toerana.

Noho izany dia velon-taraina ireo mponina sy vahoaka mivelona any amin’ity faritra ity, ka mangataka ny hijeren’ny mpitondra fanjakana ny fahavoazana lehibe mahazo azy ireo. 

Nangonin’i Sela FANAMBARANA

Related Post

𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀.

Posted by - avril 11, 2025 0
𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀. Ny lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian no mitarika ny delegasionina aty Toliara.…