πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – π‘π„ππˆπŒ-ππˆπ€πŠπ€π•πˆπ€ππ€ ππˆπŠπ€π’π€ π‡π€ππƒπ€π…πŽ π™π€ππ€ππ˜ 7 π•πŽπ‹π€ππ€ π’π€π‘πŽπ`𝐍𝐘 ππŽπ‹πˆπ’π˜

199 0
✦Renim-pianakaviana iray 29 taona no nikasa handafo zanany vavy 7 volana tamin`olona vonona hividy ilay zaza. Tonga tamin`ny tokantrano iray tetsy Ambalanantsotry Mandritsara ilay vehivavy miaraka amin`ny zanany ka nandresy lahatra ny mba hividy ilay ankizy kely omaly alarobia 2 oktobra 2024. Nampandre teny amin`ny polisim-pirenena ilay olona noreseny lahatra ity ka avy hatrany nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana tarihan`ny Kaomisera, Rabenandrasana Bertheli.
Fantatra tamin`ny alalan`ny fanadihadiana fa tsy nahafantatra ny zavatra nataony ny rain-janany ary tsy mankasitraka ny fandafosany ny zanany koa. Nentin`ny rainy nody any Maromandia, Antanandava kaominina Kalandy distrikan`i Mandritsara ny zanany. Telo mianadahy ny zanak`izy ireo. Olana ara-tokantrano no nanosika ilay renim-pianaviana handafo zazakely izao satria nisaram-panadiana izy. « Tsy tonga ny entana anton-katrano, amidiko araka izay asahianao azy izy ity » hoy ilay vehivavy.
Efa eny amin`ny fampanoavana ny raharaha ary efa nidoboka am-ponja ilay renim-pianakavina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔

Posted by - fΓ©vrier 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 (𝐍𝐚𝐨π₯𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐑𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) πŸ“Œ Rangahy iray 40 taona nanolana…