RAJERISON Antoine | ady amin’ny doro tanety tsy vitan’ny herin’ny basy

323 0

Tsy vitan’ny fisamborana sy fanagadrana ary ny herin’ny basy ny ady amin’ny doro tanety izay hita mirongatra eto amintsika hoy RAJERISON Antoine,solombavambahoaka voafidy tao Arivoninamo fa ny rafi- piarahamonina no mila apetraka.

Io rafi-piarahamonina io mantsy no mahafantatra ny zavamisy eny ifotony fa tsy ny ety ivelany ary tokony beazina sy hentanina ahatsapa ny maha-zavadehibe ny fiarovana ny tontolo iainana eo amin’ny fiainany.

 Loza mitatao ny dorotanety hoy hatrany ny fanazavany ary antony maro no mahatonga azy io ka tokony jeren’ny fanjakana indrindra ihany koa ny hanatsarana ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano fa io no tena fototry ny olana rehetra izay lasa mampanaonao foana ny olona sy hanehoany ny hatezerany.


📝M.Elvina

Related Post

𝔽𝕀𝕋𝕊𝔸ℝ𝔸ℕ𝔸, ℕ𝕐 𝕆𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔹𝕆𝕂𝕐 ℝ𝕆𝕍𝕀𝕋ℝ𝔸

Posted by - avril 17, 2024 0
𝐀𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐟𝐢-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲, 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲…