RAJERISON Antoine | ady amin’ny doro tanety tsy vitan’ny herin’ny basy

88 0

Tsy vitan’ny fisamborana sy fanagadrana ary ny herin’ny basy ny ady amin’ny doro tanety izay hita mirongatra eto amintsika hoy RAJERISON Antoine,solombavambahoaka voafidy tao Arivoninamo fa ny rafi- piarahamonina no mila apetraka.

Io rafi-piarahamonina io mantsy no mahafantatra ny zavamisy eny ifotony fa tsy ny ety ivelany ary tokony beazina sy hentanina ahatsapa ny maha-zavadehibe ny fiarovana ny tontolo iainana eo amin’ny fiainany.

 Loza mitatao ny dorotanety hoy hatrany ny fanazavany ary antony maro no mahatonga azy io ka tokony jeren’ny fanjakana indrindra ihany koa ny hanatsarana ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano fa io no tena fototry ny olana rehetra izay lasa mampanaonao foana ny olona sy hanehoany ny hatezerany.


📝M.Elvina

Related Post

𝐂𝐄𝐍𝐈: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐦𝐞𝐥𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐣𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐞𝐧𝐢𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚𝐧-𝐝𝐨𝐡𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 4, 2025 0
Nanambara ampahibemaso ny Birao maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa manameloka tanteraka ny fanenjehana nataon’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona,…