π•πŽπ•πŽππ€ππ€ π†πŸ• Β« 𝐋𝐀𝐒𝐀 π™π€πŽ, π€ππ“π€ππ€ππ€π‘πˆπ•πŽ π“π’π˜ πŒπ€πˆππ“π’π˜ πŒπ€ππƒπ‘πŽπ’πŽ Β»

300 0

Anio Alarobia 23 Oktobra 2024 no nanao fanambarana tetsy amin’ny Espace Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary ny VOVONANA G7 Β« LASA ZAO, ANTANANARIVO TSY MAINTSY MANDROSO Β» ny amin’ny fahitan’izy ireo ny raharaham-pirenena ankehitriny, ary indrindra ny fanehoan’izy ireo ampahibemaso ny hanohanan’izy ireo an’i Ramatoa Harilala RAMANANTSOA izay Kandida hatolotry ny Irmar hifaninana ho Ben’ny Tanana eto Antananarivo Renivohitra.

Fantatra fa Filoham-pikambanana avokoa ireto tonga niatrika ny fanambarana iraisana ireto, ary Fikambanana miisa 80 mahery no mivondrona ato anatin’izany VOVONANA G7 Β« LASA ZAO, ANTANANARIVO TSY MAINTSY MANDROSO Β», ahitana Mpandraharaha, mpampianatra, mpanao gazety, mpanao tao-zavatra, mpanao asa vaventy sns …

Fanazavana entin’ny Mpitarika azy ireo, Andriamatoa Lahatra RAKOTOVOLOLONA

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

Nafana ny fandraisan’ny vahoakan’ny Kaominina Anjeva Gara ny Kandida NΒ°3

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐍𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘π€πˆπ’π€π’𝐍𝐘 πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ 𝐀𝐍𝐉𝐄𝐕𝐀 𝐆𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 πŠπ€ππƒπˆπƒπ€π’𝐍𝐘 π…πˆπ‘π€πˆπ’π€ππŠπˆππ€ 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 πŸ‘ – π€π•πŽπ“π‘π€ π’π˜ π‰πˆπŒπŒπ˜ — Anio Alahady 26…