PORT-BERGE | NATSAHATRA NIANATRA AVOKOA IREO MPIANATRA AO AMIN’NY EPP ANKOBY ZAP MAEVARANOHELY TAORIAN’NY FAHASIMBAN’NY TRANO FIANARANA 05 VOLANA LASA IZAY.

404 0
 
Sekolim-panjakana mitazona laharana voalohany amin’ny fahambonian’ny taham-pahafahana amin’ny valim-panadinana CEPE eo anivon’ny ZAP Maevaranohely ny ao amin’ny EPP Ankoby I, 80km mahery miala an’i Port-Bergé. Trano ahitana efitra roa ihany no ananan’ity toeram-panovozana fahalalana sy fanabeazana ity hatramin’izay.
Mampalahahelo anefa dia natsahatra nianatra avokoa ireo ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Ankoby ity nanomboka tamin’ny volana Desambra 2023. Narodan’ny andro ratsy nisy rivotra mahery ny efitrano fianarana. Hatramin’izao volana Aprily 2024 izao dia tsy mbola tafaverina an-tSekoly izy ireo satria tsy mbola nisy fanamboarana ny trano fianarana.
 
Nitaraina tamin’ny tompon’andraikitra ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra, nanao tatitra tamin’ny ambaratongan-tsehatra ny mpitantana sekoly, araka ny fanazavana voaray. Nanamafy an’izany izy ireo nandritra ny fandalovan’ny mpanao gazety tany an-toerana androany zoma 12 Aprily.
 
🖋️Gabin Eloi

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…