NIHAONA TAMIN’IREO MPANAO GAZETY ETO AMBATONDRAZAKA NY FILOHAN’NY OJM

225 0
Nihaona tamin’ireo mpanao gazety eto Ambatondrazaka ny Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara Ramatoa RASOLOARISON Monica Androany Alakamisy 24 Jolay 2025 tao amin’ny Masinjara Ambatondrazaka
Fisaorana ireo mpanao gazety ny amin’ny firaisankina no nanombohany ny fandraisam-pitenanana ary narahina fifampizarana sy fampatsiahivana ny hasin’ny asa fanaovan-gazety sy ny andraikitry ny mpanao gazety.
Voaresaka ihany koa ny fivoaran’ny teknolijia izay miha mahazo vahana amin’izao fotoana izao ka nanamarihany mazava tsara fa tsy mitovy ny mpanao fasiboky sy ny mpanao gazety ary tokony hita taratra amin’ny famoaham-baovao amin’ireo tambajotra-tserasera ireny ny maha mpanao gazety matihanina fa na tiana na tiana dia tsy afa miala amin’izao fivoaran’ny teknolijia izao isika.
Nisy moa ny fifanankalozana fohy ary narihina ady hevitra, ary teo ampamaranana dia nitondra teny fisaorana ny Filohan’ny holafitra ny filoha lefitra aty Alaotra Mangoro Andriamatoa Janus RAEMBOSOA
Tonga nanatrika izao fihaonana izao moa ny Talem-paritry ny serasera sy ny kolontasina Alaotra Mangoro, ny tele-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana ara-kasa, ary ireo tompona aron’asa-tserasera.

Related Post

Depioté Haja Dinah | nanampy ny voafonja ao Toamasina

Posted by - février 22, 2026 0
𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄́ 𝐇𝐀𝐉𝐀 𝐃𝐈𝐍𝐀𝐇 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐌𝐀𝐗 : 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀𝐕𝐎𝐀𝐇𝐀𝐍𝐆𝐘 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 Nitohy…