ELIACE RALAIARIMANANA: MARO IREO ZAVATRA TSY METY ETO AMINTSIKA.

303 0


Maloto ny kianja filalaovana tamin’ireo fifidianana rehetra notanterahina teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2009 hoy ny Eliace RALAIARIMANANA, mpanao politika androany.

Hita sy tsapa tamin’izy nandray anjara tamin’ny fifidianana filoham_pirenena izany ka antony nahatonga azy tsy nandray anjara amin’ity fifidianana ben’ny tanàna 2024 ity.

Tsy misy safidim_bahoaka marina niseho teto Madagasikara fa fahantrana no hita.

Nasiany resaka ihany koa ny fivorian’ny solombavambahoaka amin’ny herinandro ambony io fa tsy misy andrasana amin’io fivoriana io fa solombavambahoaka efa voateritery sy hiaro fitondrana no betsaka amin’ireo.

Betsaka arak’izany ireo zavatra tsy mety eto amin’ny firenena ka tokony hiverina any am_piandohana isika araka ny fanehoan_keviny hatrany.

Nangonin’i M.Elvina

Related Post

Depioté Haja Dinah | nanampy ny voafonja ao Toamasina

Posted by - février 22, 2026 0
𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄́ 𝐇𝐀𝐉𝐀 𝐃𝐈𝐍𝐀𝐇 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐌𝐀𝐗 : 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀𝐕𝐎𝐀𝐇𝐀𝐍𝐆𝐘 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 Nitohy…