ππ„π“π‘πŽπŠπ€ | πŒπˆπ…π€ππƒπˆπ“π‘π€ π„π“πŽ π€ππˆπ•πŽπβ€™ππ˜ π“π€πŒππ€π™πŽπ“π‘π€ 𝐍𝐘 πŒππŽπŒππ€ π€πβ€™πˆ πƒπ„ππˆπ“π„ ππˆπ‚πŽπ‹π€π’ π’π˜ 𝐍𝐘 πŒππŽπŒππ€ 𝐍𝐘 ππ‘π„π™πˆπƒπ€ π€πŒπˆπ‘

265 0
πŸ“Œ Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ny tsindry hazolena mianjady aminy ny Mponina ao amin’ny Distrikan’ny Betroka, nisolon-tena nitondra ny hafatr’izy ireo ny Prezida AMIR, navoakan’ny mpomba azy ireo an-tambazotra izany, ka niparitaka eran’ny facebook. Voarakitra ao anatin’io fanambarana ampahi-bemaso io ny ny fijerin’izy ireo fa efa mivoana mankany amin’ny tsy tokony ho izy intsony izao fomba fitantanan’ny Solombavambahoaka lany tany an-toerana izao. Manoloana izany indrindra dia niantso vonjy amin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra izy ireo.

πŸ“Œ Tsy niandry ela koa anefa ny Mpomba an’ilay Solombavambahoaka votonontonana, ka nitondra valin-kafatra sy fanitsiam-baovao avy hatrany izy ireo.
πŸ“Œ Nambaran’izy ireo ankarihary fa tena Depute manao ny asany raha ny Depute Jean Nicolas RANDRIANASOLO, fa fanosoram-potaka sy fanaratsiana bevata izao ataon’ny ekipan’i Prezida AMIR izao. Mangataka ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo handray fepetra amin’izao ataon’ny andaniny izao.
πŸ“’ Na misy aza anefa ny fifandrohitana ara-pΓ΄litika sy arakevitra tahaka izao, dia mbola iray tsy mivaky i Betroka, ary samy te haneho fa ao anatin’ny fon’ny tsirairay ity Distrikan’ny Betroka ity.
πŸ“· : sary nalefan’ireo mpomba ny andaniny sy ny ankilany
Nangonin β€˜Lay Mahitsy

Related Post

π—™π—œπ—›π—”π—’π—‘π—”π—‘π—” π—§π—˜π—’ π—”π— π—œπ—‘β€™π—‘π—¬ π—™π—œπ—Ÿπ—’π—›π—”π— -π—£π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π—‘π—” π— π—£π—œπ—¦π—’π—Ÿπ—’ π—§π—’π—˜π—₯𝗔𝗑𝗔, 𝗑𝗬 π—π—˜π—‘π—˜π—₯π—”π—Ÿπ—¬ π—₯π—œπ—–π—›π—”π—₯𝗗 π—₯π—”π—©π—”π—Ÿπ—’π— π—”π—‘π—”π—‘π—”, 𝗦𝗬 𝗑𝗬 π—™π—œπ—Ÿπ—’π—›π—” π—©π—’π—”π—™π—œπ——π—œπ— -π—•π—”π—›π—’π—”π—žπ—”, 𝗔𝗑𝗗π—₯𝗬 π—₯π—”π—π—’π—˜π—Ÿπ—œπ—‘π—”

Posted by - dΓ©cembre 14, 2023 0
π—™π—œπ—›π—”π—’π—‘π—”π—‘π—” π—§π—˜π—’ π—”π— π—œπ—‘β€™π—‘π—¬ π—™π—œπ—Ÿπ—’π—›π—”π— -π—£π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π—‘π—” π— π—£π—œπ—¦π—’π—Ÿπ—’ π—§π—’π—˜π—₯𝗔𝗑𝗔, 𝗑𝗬 π—π—˜π—‘π—˜π—₯π—”π—Ÿπ—¬ π—₯π—œπ—–π—›π—”π—₯𝗗 π—₯π—”π—©π—”π—Ÿπ—’π— π—”π—‘π—”π—‘π—”, 𝗦𝗬 𝗑𝗬 π—™π—œπ—Ÿπ—’π—›π—” π—©π—’π—”π—™π—œπ——π—œπ— -π—•π—”π—›π—’π—”π—žπ—”, 𝗔𝗑𝗗π—₯𝗬 π—₯π—”π—π—’π—˜π—Ÿπ—œπ—‘π—” Nisy ny fihaonana teo…

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
Β« π»π‘Žπ‘›π‘Žπ‘œ π‘–π‘§π‘Žπ‘¦ β„Žπ‘Žβ„Žπ‘Ž 𝐹𝐾𝑇 π‘€π‘π‘–π‘‘π‘Žπ‘Ÿπ‘–π‘‘π‘–π‘Ž ( 𝐹𝐾𝑇 π‘ƒπ‘–π‘™π‘œπ‘‘π‘’) 𝑛𝑦 πΉπ‘œπ‘˜π‘œπ‘›π‘‘π‘Žπ‘›π‘¦ π‘‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘Žπ‘›π‘Žπ‘˜π‘œ π‘Žβ„Žπ‘œ, π‘ π‘Žπ‘‘π‘Ÿπ‘–π‘Ž π‘‘π‘’π‘‘π‘œ π‘›π‘œ π‘›π‘œ π‘›π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘™π‘Žπ‘‘π‘ π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘›β€™π‘›π‘¦ π‘‘π‘Žπ‘£π‘œπ‘›π‘–π‘˜π‘œ, π‘˜π‘Ž…