Nivoaka taminβny fahanginany manoloana ny tsindry hazolena mianjady aminy ny Mponina ao aminβny Distrikanβny Betroka, nisolon-tena nitondra ny hafatrβizy ireo ny Prezida AMIR, navoakanβny mpomba azy ireo an-tambazotra izany, ka niparitaka eranβny facebook. Voarakitra ao anatinβio fanambarana ampahi-bemaso io ny ny fijerinβizy ireo fa efa mivoana mankany aminβny tsy tokony ho izy intsony izao fomba fitantananβny Solombavambahoaka lany tany an-toerana izao. Manoloana izany indrindra dia niantso vonjy aminβAndriamatoa Filohanβny Repoblika sy ny Praiminisitra izy ireo.
Tsy niandry ela koa anefa ny Mpomba anβilay Solombavambahoaka votonontonana, ka nitondra valin-kafatra sy fanitsiam-baovao avy hatrany izy ireo.
Nambaranβizy ireo ankarihary fa tena Depute manao ny asany raha ny Depute Jean Nicolas RANDRIANASOLO, fa fanosoram-potaka sy fanaratsiana bevata izao ataonβny ekipanβi Prezida AMIR izao. Mangataka ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo handray fepetra aminβizao ataonβny andaniny izao.
Na misy aza anefa ny fifandrohitana ara-pΓ΄litika sy arakevitra tahaka izao, dia mbola iray tsy mivaky i Betroka, ary samy te haneho fa ao anatinβny fonβny tsirairay ity Distrikanβny Betroka ity.
: sary nalefan’ireo mpomba ny andaniny sy ny ankilany