NANATANTERAKA FIHAONAM-BE VOALOHANY ANDROANY NY FIKAMBANANA MORONDAVA BEMIRAY

302 0

Tontosa anndroany sabotsy faha 16 Martsa 2024 tao amin’ny Hôtel les bougainvilliers Morondava ny Fihaonam-be voalohany ny fikambanana MORONDAVA BEMIRAY ; izay fikambanana mivondrona ao amin’ny MADA BEMIRAY ka mpikambana maherin’ny 900 no tonga niatrika izany izay notarihin’ny filoha nasionalin’ny Mada Bemiray Andriamatoa Madov Vazison sy ny filohan’ny Morondava Bemiray Clement Fredo .


Ireo pitarika ny fikambanana isam-pokotany sy ny mpikambanana rehetra eto Morondava moa no niatrika ny fivoriana na noresahina nandritr’izany ny fihatrehana ny fihofanana sy ny fitsipika tsy maintsy arahina mba hazahoana ny tohana sy ny hitantanana ny tohana hanatanterahana ny tetikasa izay ataon’ny mpikambana ka ho vatsian’ny fikambanana satria ny atom-pisian’ny fikambanana dia hanampy ny mpikambana ao aminy asa mahaleon-tena ka tsy maintsy miofana aloha ka ny fikambanana no mampiofanana ka ireo mpikambana nahavita fiofanana dia ho vatsiana entam-barotra avy hatrany, fiaraha miasa eo amin’ny MADA BEMIRAY sy TANA BEMIRAY ary MORONDAVA BEMIRAY. Izany hoe ny TANA BEMIRAY hamatsy entam-barotra avy any Antananarivo hoan’ny Mpikambana aty Morondava ary ny MORONDAVA BEMIRAY ihany koa dia handefa entam-barotra toin’ny fia sira, crevette sy ny sisa izay vokatra mampiavaka an’ny Menabe ho any Antananarivo . Misy Koa ny famoronan’asa toy ny fanamboarana Paty gasy, ronono Soza izay ampihofanina ireo mpikambana eo koa ny asa izay fiaraha miasa amin’ireo mpiara-miombonantoka ka androany dia efa nisy ny fandraisana ireo tanora hiasa ao amin’ny Nature Mada VOyage izay miantsehatra amin’ny fizahan-tany ka hiandraikitra ny Nature Mada Voyage ato Menabe


Hanomboka tsy hoela moa ny fampihofanana fa ho zaraina isam-bondrona araky ny traikefany ireo mpikambana eny aminy fokotany dia hiofana ka afaka iray volana dia hiditra eo amin’ny resaka asa sy fandraharahana avy hatrany izay mafeno fepetra .
Miara miasa amin’ireo fikambanana eny anivon’ny fokotany ihany koa ny Morondava Bemiray ary manampy ireo mpikambana amin’ireny fikambanana ireo izay tsy an’asa ka isany hisitraka izany voalohany ny fikambana,-behivavy ao amin’ny Fokotany Avaradrova izay notolorana trano lay ho ampanofaina izay ry zareo no hitantana azy sy hisitraka ny vola azo amin’izany

Nohamafisin’ny mpitarika ny fikambana moa fa ny fanarahana ny fitsipika sy ireo fepetra rehetra no hazoana ny tohana aorian’ny fihofanana

Nangonin’ny Ra Pa Menabe

 

Related Post

« 𝐃𝐑𝐎𝐈𝐓 𝐃𝐄 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐍𝐒𝐄  » 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐍𝐀𝐓𝐎𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Posted by - février 28, 2025 0
Manoloana ny famoaham-baovao, nataon’ny Gazety an’habaka Feon’ny Demokrasia omaly,Alakamisy 27 Febroary 2025, (https://feonydemokrasia.mg/alerte-ambatomanjaka/) dia mitondra ity 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 ity ny 𝗦𝗲́𝗻𝗮𝘁…