๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—”๐—ฅ๐—” – ๐—ง๐—ฆ๐—ฌ ๐—›๐—ข ๐—ฆ๐—”๐—›๐—œ๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐— ๐—œ๐—ก`๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐— ๐—ข๐—”๐—›๐—”๐— -๐—•๐—ข๐—ž๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ก๐—ง๐—ฆ๐—”๐—›๐—” ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐——๐—œ๐—•๐—ข๐—ก๐—”๐—ฅ๐—” ๐—ฃ๐—ข๐—ก๐—ง ๐—ฆ๐—ข๐—™๐—œ๐—”, ๐—ฉ๐—œ๐—ง๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—Ÿ๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ก๐—”, ๐—ก๐—”๐—›๐—”๐—ญ๐—ข ๐—ž๐—”๐——๐—ข๐—” ๐— ๐—”๐—ก๐—ข๐—ž๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—›๐—ข๐—ก`๐—ก๐—ฌ ๐—˜๐—ญ๐—”๐—ž๐—” ๐—ฉ๐—œ๐—ง๐—” ๐—œ๐—ญ๐—ฌ ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข

5 0
Nahavita adidy amin`ny fanamboaran-dalana ahafahana mamoaka vokatra mankao Pont Sofia ny vahoaka ao Ambodibonara kaominina Pont Sofia distrikan`i Mandritsara. Fotoana maro no nifandrimbonan`izy ireo tamin`izany, afaka mivezivezy ny sarety, ny fiara mitatitra vokatra amin`izao.
Tsapan`ny mpitondra eo anivon`ny kaominina ny ezaka lehibe vita izay ka nomen`ny ben`ny tanana, Jean-Yves Franรงois, fanomezana manokana ny vahoaka ao Ambodibonara. Fahitalavitra 42″, kit Canal+, Vato aratra lehibe ary takelaka manome herinaratra avy amin`ny masoandro no nomena azy ireo, natoka hialana voly izy ity satria mangetaheta izany ny mponina. Nidina ifotony talin`ny tanana ity ny ben`ny tanana omaly alarobia 4 jona nanolotra fampitaovana ireto.
Taloha, omby no atolotra fokonolona, rehefa hanao asa tanamaro, somary niova amin`izay fomba izay ny ben`ny tanana ka mankasitraka ny ezaka goavana toy izao.
Nilaza ireo mponina amin`ny tanana ity fa havitrika hatrany amin`ny fandraisana anjara amin`ny asa fampandrosoana.
Nangonin`Uni Raz

Related Post

๐“๐ž๐ญ๐ข๐ค๐š๐ฌ๐š ยซย ๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ก๐š๐ณ๐จ ๐ข๐ซ๐š๐ฒย ยป

Posted by - fรฉvrier 28, 2024 0
Natomboka tao amin’ny EPP Tsimavaobe ao Morondava androany ny fambolen-kazo ao anatinโ€™ny tetikasa โ€œ๐—จ๐—ป รฉ๐—นรจ๐˜ƒ๐—ฒ, ๐—จ๐—ป ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒโ€ izay nanentananโ€™IOโ€™RENALA ny…