Nafana ny fandraisan’ny vahoakan’ny Kaominina Anjeva Gara ny Kandida NΒ°3

201 0
𝐍𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘π€πˆπ’π€π’𝐍𝐘 πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ 𝐀𝐍𝐉𝐄𝐕𝐀 𝐆𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 πŠπ€ππƒπˆπƒπ€π’𝐍𝐘 π…πˆπ‘π€πˆπ’π€ππŠπˆππ€ 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 πŸ‘ – π€π•πŽπ“π‘π€ π’π˜ π‰πˆπŒπŒπ˜
Anio Alahady 26 Mai 2024, dia ny Kaominina Anjeva Gara, ato amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, no nandray ny Kandida natolotry ny Firaisankina Madagasikara an’ny Malagasy; Hita ao anatin’ny Bileta Tokana laharana faha3, izay ahitana an’i Avotra sy Jimmy.
Vahoaka maro no tonga nanotrona azy ireo, ary nanakoako hatrany ny fifanomezan-toky fa izahay dia tsy miala amin’ny Kandida natolot’i Dada Ravalomanana, ary neken’ny Vovonana Firaisankina.
Toky no nomen’i Avotra sy Jimmy ho setrin’izany fa tsy handraraka ilo mby an-doha izy ireo, fa hiady mafy ho tombontsoan’Avaradrano manokana, na dia ho antsoina hoe Solombavambahoaka an’i Madagasikara aza izy ireo raha Tahiny. Ary hanao vain-dohan-draharaha ny Asa sosialy sy fampandrosoana izay efa nahafantarana azy ireo.
Fanentanana hatrany no nentina namaranana ny fihaonana, fa tongava mifidy, entano ny namana, ny havana aman-tsakaiza, ary fidio ny laharana faha3 ao amin’ny Bileta tokana,
Fidio i Avotraina sy Jimmy NΒ°3, hatolotry ny Vovonana Firaisankina, ary indrindra fa voatsodranon’i Dada Ravalomanana, Mpitarika ny Antoko Tiako i Madagasikara
Antoko Politika Madio
Tsara Tahafina
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

Mpikatroka TGV Ambohimalaza | fifampiarahabana noho ny taona vaovao

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐌𝐩𝐒𝐀𝐚𝐭𝐫𝐨𝐀𝐚 𝐓𝐆𝐕 π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ₯𝐚𝐳𝐚 | πŸπ’πŸπšπ¦π©π’πšπ«πšπ‘πšπ›πšπ§πš 𝐧𝐨𝐑𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 — Tontosa androany ny fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao…