Morondava, faritra Menabe | Trano iray may tsy nisy entana Avotra

231 0
Nitrangana hai-trano tao amin’ny fokotany Andakabe kaominina Ambonivohitry Morondava androany tokony tamin’ny 12 ora sasany atoandro ka trano iray no may ravan’ny afo tsy nisy entana avotra na dia iray aza nisy vola dimy hetsy sy iraitapitrisa koa may tao, tsy tao an-trano moa ny tompon_trano fa ny sasany mivarotra ao bazar be ny sasany nitety tsena any ambanivohitra, araky ny vaovao azo dia fipoahan’ny batterie izay mifahana amin’ny panneau solaire no natonga ny afo, tsy nisy entana Avotra fa nihidy ny trano nanahirana koa ny famonoana ny afo satria tery ny lalana hidiran’ny mpamonjy voina, ny ranon’ny Jirama koa tapaka ka rava tsy nisy azo raisina ilay trano sy ny entana tao amin’ny, fa nohon’ny fiaraha-mientan’ny rehetra dia voafehy tsy nitatra ny afo.
 
Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitry Jirama moa ireo mponina ny tsy hanapahana ny rano satria ny andro mafana eo koa ny loza misy toy izao.
 
Miisa 9 mianaka moa ireo olona traboina ary vehivavy bevohoka efa valo volana ny iray koa manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ireo mpiara monina mba hijerena azy ireo satria trano vao vita tsy ampy taona iray io may io, kisoa 6 sisa Avotra satria voavonjy alohan’ny hitaran’ny afo teo amin’ilay valan-kisoa
 
Nangonin’i Ra pa – Menabe

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬

Posted by - avril 18, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬 (𝑵𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒕𝒓𝒆𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚…