๐ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ – ๐ ๐ถ๐๐ผ๐ต๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐น๐ฎฬ๐น๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ถ๐๐ฒ๐๐ถ๐๐ฒ๐๐ฒ๐ป`๐ป๐ ๐ฑ๐ฎ๐ต๐ผ๐น๐ผ๐ฏ๐ฒ(๐ฌ๐บ๐๐บ๐ ๐พ๐๐บ๐๐บ ๐๐ ๐๐บ๐๐๐๐๐๐๐บ ๐๐บ๐๐บ๐๐ป๐๐บ๐๐๐บ ๐ ๐บ๐ ๐บ๐๐บ)
โฆ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny tanana ao amin`ny kaominina ambonivohitra Mandritsara, Rasolofondradonga Gรฉrard fa manao ezaka amin`ny fanatsarana tanana. Misy ny fanavaozana lร lana fivezivezen`ny daholobe amin`ny andavan`andro eny anivon`ny fokontany.
Nisantatra izany ny ao Ankobasoa; lalam-be 500 metatra eo no nopasohana mba ahafahan`ny fiara vaventy mpitondra entana ary koa ireo tuc tuc mpitatitra olona, vita tamin`ny herinandro lasa teo izany. Mahazo tombony amin`izany ireo mponina ao Mandritsara ambony sy Ankobasoa indrindra ny vahoakan`i Mandritsara. Natao izao mba hanenana ny fivezivezena amin`ny lร lam-be mihazo amin`ny rue de commerce satria matetika mampikorontana fifamoiviizana ireo kamiao ireny, eo koa ny mpianatra voaelingelina rehefa hiampita, hoy Ben`ny tanana, Rasolofondradonga Gรฉrard.
โฆAnkoatra ny ao Ankobasoa, miroso koa ny fanamboarana ny rari-vato mankany amin`ny ยซย Gymnase couvert ย ยป Lร lana 200 metatra eo koa no voapasoka hanaovana rari-vato. Fiarahamiasa eo amin`ny kaominina sy ny governoran`ny faritra Sofia no nahatontosana izany.